Nanao hetsika manokana ho an’ ny traboina eto amin’ny Nosy ny Fitandremana Avaratr’Andohalo, ny Alahady 22 Febroary 2015. Narotsaka ho an’ny traboina avokoa ny rakitra rehetra natao tamin’io Alahady io, mba ho enti-miara-mientana tamin’ny FJKM manontolo. Ny SAF FJKM no niandraikitra izany eo amin’ny sahan’ny FJKM.

Asa iombonana

Notanterahina ny Alahady 01 Martsa 2015 ny anjara « Kofehy volamena » an’ Avaratr’Andohalo, izay harotsaka any amin’ny Foibe ho fandraisan’ny Fitandremana anjara amin’io tetikasan’ny FJKM io, mba hananganana fotodrafitrasa hitsinjovana ny ho loharanombola maharitra ho an’ny FJKM. Asa mampibona sy mampiray ny FJKM rehetra ny « Kofehy volamena ».