NY SAFIF ETO AVARATRANDOHALO .

Tany am-piandohana

Tsy hita ny fitanana an-tsoratra ny niandohan’ny asa Fifohazana teto Avaratr’Andohalo. Tany amin’ny taona 1949 tany dia efa nisy fotoam-pifohazana isaky ny Alatsinainy hariva amin’ny 06 ora. Ny Mpitandrina RAJAONARIVONY Joseph sady Mpiandry avy tao amin’ny Tobilehibe Soatanana Avaratra no nitarika izany. Ramatoa RAVONIANOSY no Mpiandry namany ary Andriamatoa RANJEVARIVONY Jean sy Ramatoa RAZANAMAMPIANINA vadiny no anisan’ny mpiara-mivavaka nantsoina hoe MPIANATRY NY TOMPO..

Nitohy nandritry ny taona maro ny fotoana ka nifandimby teo amin’ny fitarihana sy fanentanana ireto olona ireto: Ramatoa RAHARINORO, Andriamatoa isany RALAIHARISOA sy RANDRIAMIHAMINA Samuel

Nony lasa nodimandry Andriamatoa Randriamihamina tamin’ny taona 1980 tany ho any, dia tsy nisy intsony ny asam-pifohazana teto Avaratrandohalo. Mbola tsy niorina rahateo ny Sampana Fifohazana teo anivon’ny Foibe FJKM.

Tsiahivina fa tamin’ny taona 1980 no tafatsangana ho Sampana ny Fifohazana teo anivon’ny FJKM . Atao hoe SAMPANA FIFOHAZANA FJKM ny anarany afohezina toy izao SAFIF FJKM na SAFIF. Tsy voatery ho Mpiandry avokoa akory ny mpikambana ao . Misy ireo olona izay mankasitraka ny fotokevitra sy ny asan’ny Sampana lazaina hoe ZANAKY NY FIFOHAZANA

Ny firafitry ny birao voalohany:

Misaotra an’ Andriamanitra fa ny taona 1994 dia niverina indray ny asa teto. Andriamatoa RAJERISON Alfred no Mpiandry voalohany nanohy izany.

Natsangana ny Sampana Fifohazana ka toy izao no firafitry ny birao voalohany:

  • Andriamatoa RAJERISON Alfred, Filoha
  • Andriamatoa RANDRIANJANAHARY Emile, Filoha mpanampy
  • Ramatoa RAFARAMALALA,  Mpitantsoratra
  • Ramatoa RAZAIARIVONY Victorine, Mpitahirivola
  • ANDRIANASOLO Bodosoa sy RAKOTOVAO Lydia, Mpanolotsaina
    .
    Notokanana ny Alahady 12 Novambra 1995 ny Sampana Ny Mpitandrina RALAMBOMAHAY Hendrininosy Filohan’ny Sampana Fifohazana Synodamparitany Avaratrandohalo no nitarika ny fotoana ary Mptandrina RABEHANTONINA James Filohan’ny Sampana Fifohazana Foibe no nitoriteny sady nanatanteraka ny fitokanana

Nisy Mpiandry vahiny nanampy nanome tànana tamin’ny Asa fampaherezana izay notronon’ny Zanaky ny Fifohazana vitsivitsy.Sakafom-pirahalahina tao amin’ny IFRP no namaranana ny fotoana.

Nodimandry ny taona 1996 Andriamatoa RAJERISON Alfred .Nandray ny andraikitra vonjimaika Andriamatoa RANDRIANJANAHARY Emile izay mbola Filohan’ny SAFIF hatramin’ny taona 2011 . Nanomboka teo dia Andriamatoa RATEFINJANAHARY Gervais no Filoha

50 eo ho eo ny isan’ny mpikambana ankehitriny ka 19 no Mpiandry ra 2009 izao.

Ny antom-pisian’ny FIFOHAZANA

Tany am-boalohany, dia ny Fiangonana no Fifohazana. Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana mantsy no nanome ny tena hevitry ny Lalàna. (Ohatra Matio 5, 17,21 -24,27-30 sns.. ) Ankoatr’izay, ny Toriteny voalohany nataony dia hoe :” Mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara “ ( Marka 1,15) Nitondra fianam-baovao ho an’izay rehetra nihaino Azy ka nino sy nankato ny Teniny izany fampianarana fanitsiana nataon’ny Tompo izany. Ny olona ao amin’ny Fiangonana ireo.

Araka izany, ny tantaran’ny Fiangonana , dia tantaran’ny Fifohazana. Rehefa nisy ny Fiangonana dia nisy koa ny Fifohazana.

Taty aoriana, rehefa mandalo fotoana izay mahavariana azy ny Fiangonana ka hararaotin’ny devoly handemena sy hampatoriana azy. dia ny fahatsiarovatenany sy ny fibebahany ka mandray ny fanavaozam-panahy no atao hoe :FIFOHAZANA. Ny Sampana Fifohazana no raikitra adidy amin’izany ka manaitra ny Fiangonana hiala amin’ny torimasom-panahiny.

Ny zava-kendrena:

Ny zava-kendren’ny SAFIF Avaratr’Andohalo ary, dia ny hanaitra ny olona hiaino sy hianatra ary hankato ny Tenin’ny Tompo ka hanatona Azy mba hanana fiainana, araka ny volazany hoe :” Dinihinareo ny Soratra Masina satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay,ary ireny no manambara Ahy.Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hanananareo fiainana” ( Jaona 5,39). Ny hitaona ny olona rehetra hivavaka maharitra satria hoy ihany Jesoa Kristy “ Tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka”” (Lioka 18,1) ka sahy mijoro ho vavolombelony amin’ny finoana sy ny asa satria hentitra ny Tompo :”… Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ny olona,dia heken’ny Zanak’olona kosa eo anatrehan’ny anjelin’ Andriamanitra;fa izay mandà Ahy eo anatrehan’ny olona,dia holavina kosa izy eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra” (Lioka 12,8-9)

Biraon’ny Sampana amperinasa

♦ Filoha :
♦ Filoha mpanampy :
♦ Mpitantsoratra ny fivoriana:
♦ Mpitan-tsoratry ny vola :
♦ Mpitahiry vola :
♦ Mpanolotsaina : 

.

RAHELIARISOA Lydia
RAVELONJATOVO Baholy
RASOAZANAMANANA Louise Harisoa
RAVOLOLONIRINA Tabita
RAJAOSAFARA Harifidy
ANDRIAMASINORO Voahangy
RABARILALA Faly

Ny endriky ny fanompoana:

Ny Karazany:

11. Fitoriana
12.Fitaizana Zanaky ny Fifohazana
13. Fanampiana amin’ny fanorenana Fiangpnana
14. Fanorenana Toby
15.Fikarakarana marary na any amin’ny Toby na any
antokatrano
16. Mampandroso ny Fiangonana: Fandraisaan anjara mavitika amin’ny asan’ny Fitandremana

Kalitao

21 Vita tsara
22.Vonona amin’ny fanohizana
23. Vonona hamoron-draharaha hafa indray

Ny tetikasa:

Vavaka hoan’ny olona masina mila izany
Asa fampaherezana isaky ny Atalata sy Alakamisy maraina ary ny Alahady faharoa aorian’ny fanompoam-pivavahana.
Famangiana tokatrano sy hopitaly ary fonja.
Fisintonana hoan’ny Mpiandry, Komity, ary Fivoriambe hoan’ny Sampana indray mandeha isan-taona.
Fiaraha-miasa amin’ny Vaomiera sy ny Sampana rehetra.
Tafika Masina miaraka amin’ny AFF.
Fiarahana amin’ny SAFIF FOIBE,SP ,Faritra ary ARM sy ny EFATRANO (Ambavahadimitafo,Ambohitantely, Avaratr’Andohalo,Faravohitra)

Ny olana:

Tsy dia misy olana loatra satria miasa ny Fanahy Masina ka manamboatra ny olona hifampizaka sy hifandefitra. Ny Mpitandrina nifanesy koa moa dia niara-niasa tsara tamin’ny SAFIF avokoa. Ny mety ho olana iray angamba dia ny tsy fisian’ny AKANY, nefa moa efa eo an-dalam-panatanterahana izany ankehitriny.

 

Mandroso ve?

Eny mandroso satria:
Mitombo ny fandinihina ny Soratra Masina
Mitombo ny isan’ny Mpikambana
Mitombo ny isan’ny olona mandray asa sy fampaherezana
Mitombo ny isan’ny mpiomana
Tsy manana olana ara-bola , nefa tsy mba manao hetsika toy ny sakafo na fitadiavam-bola hafa mihitsy fa dia Asa vokatry ny finoan’ny Mpikambana tsirairay sy ny olona (nampaherezina sy nositranin’ny Tompo) mahatsiaro ny famonjen’Andriamanitra ka manome rakitra. Marobe ireny.

Midika ho fitomboana amin’ny finoana izany.

 

An’Andriamanitra irery ny Voninahitra, amintsika ny Fiadanana.