Tsy fanoratana tantara toy ny mahazatra loatra izao andàlan-tsoratra izao fa fanehoana ny maha Fifohazana ny FIFOHAZANA hahatakaran’ny Mpamaky ny Asa mahagaga nataon’Andriamanitra ho famojena Izao tontolo izao tao amin’ I Jesoa Kristy.
Raha nihevitra ny Jiosy fa ho avy hamonjy azy ny Mesia amin’ny alàlan’ny miaramila sy fitaovam-piadiana mahery vaika, dia diso hevitra ry zareo satria ny FIANGONANA no naorin’Andriamanitra ho làlam-pamonjena ny olona rehetra.

NY TANTARAN’NY FIFOHAZANA ETO MADAGASIKARA

Famintinana ny tantara ity. Ny antsipirihany dia azo vakina ao amin’ny boky nosoratan’ny Mpitandrina Rabehatonina James tamin’ny taona 1991 mitondra ny lohateny hoe “Ny tantaran’ny Fifohazana eto Madagasika 1894 – 1990” hita ao amin’ny fivarotam-boky Antso Analakely.

Nandalo fotoana sarotra sy mahamay ny Fiangonana Protestanta teto Madagasikara tamin’ny fotoana nanatanterahan’ny Frantsay ny fanjanahana. Tao ny nafitsoky ny mpanompo sampy izay niroborobo fatratra tamin’ny andron’ny menalamba, tao ny ny nataon’ny mpitondra fivavahana katolika sasany, samy nilofo hanapotika ny “protestantisma”. Ny fikamabanana mpaniraka misionera frantsay atao hoe “Mission Protestante Française” (MPF) no fitaovana nampiasain’Andriamanitra handamina ny toe-javatra.

Naniraka ny Fanahy Masina tahaka ny tamin’ny andron’ny Apositoly indray Izy Tanàna dimy any amin’ny Faritra atsimon’ny Nosy no nanehoany izany : SOATANANA,MANOLOTRONY,VATOTSARA (Antsirabe) ,ANKARAMALAZA , ary FARIHIMENA . Olona tokana hatrany aloha no nampiasainy tamin’ireny toerana rehetra ireny, Izay vao nihanaka tamin’ny manodidina akaiky ary nanenika ny Firenena manontolo toy ny voantsinampy, toy an’I Jesoa Kristy.

Ny fiovam-pon’I Dada Rainisoalambo ombiasa malaza sady mpanao sikidy no niteraka ny FIFOHAZANA.

1 Dada RAINISOALAMBO tao Soatanana Fianarantsoa.

Ny 05 Oktobra 1894, dia nahita fahitana izay nitarika azy tamin’ny fanariana ny sampiny sy ny odiny I Dada Rainisoalambo ombiasy sy mpisikidy. Nitory tamin’ny fianakaviany sy ireo manodidina azy ny herin’I Jesoa Kristy izy. Nipoitra noho izany ny fifohazam-panahy tao avaratr’I Betsileo ary dia niely patrana nanerana an’I Madagasikara. Nitondra hery vaovao sy fiainam-baovao hoan’izay nandray azy izany fifohazana izany.

 

2. Neny RAVELONJANAHARY Manolotrony _ Ambalavao Tsihenimparihy Fianarantsoa.

Nahita fahitana koa Neny Ravelonjanahary :Mazava be in-telo miaraka amina Tovolahy iray nitonona ho Jesoa taminy . Ankoatr’izany dia nandre feo izy nanendry azy hanao ny asan’ny Tompo. Voasoratra teny amin’ny tànany ny Didy Folo. Maty nandritra ny enin’andro izy ary velona indray ary niova fo ka lasa Kristiana feno fanomezampahasoavana, anisan’ireny ny fanasitranana aretina maro. Izy no niandohan’ny Fifohazana Manolotrony. (1900 – 1927 – 1975).

3. Dada RAJAOFERA Vatotsara Betafo Antananarivo

Hafa kokoa noho ny tonga tamin’I Dada Rainisoalambo sy Neny Ravelonjanahary ny fiantsoana an’I Dada Rajaofera
Olona efa Kristiana voataiza tao amin’ny Fiangonana izy: Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, mpampianatra sekoly Alahady, mpampianatra hira , mpitendry zavamaneno , nefa somary nanadino ny Tompo noho ny fitiavan-karena be loatra tafiditra tao aminy. Tratry ny areti-madoza izy ka tsy sitrana raha tsy nametrahan’I Neny Ravelonjanahary tànana; Dia niova fo ka lasa fiasana mahery teo am-pelatanan’Andriamanitra; Nanasitrana aretina maro, nandrava ny herin’ny sampy maro sy andriamani-tsy izy ary anisan’ireny Andriambodilova tetsy Ambohimanarina tamin’ny 8 septambra 1929

Fifohazana fahatelo izay nifandray mivantana tamin’I Neny Ravelonjanahary (1927- 1936) I BABA Rajaofetra. Izy no heverina fa Mpitoriteny ngezalahy indrindra teto Madagasikara.  

4. NENILAVA ( Volahavana Germaine) Ankaraahitmalaza Fianarantsoa

Antaimoro I VOLAHAVAVANA GERMAINE na NENILAVA, taranaka mpanjaka ary ny rainy dia ombiasa malaza.

Efa ela izy (Vao 10 taona monja) no nantsoin’ny Tompo tamin’ny alàlan’ny fahitana mba hanao ny Asa Fitoriana Filazantsara. Nolavy aminy ny Tompo hatrany izany . Indray andro , nararin’ny z. fahagagana nampanaovin’ny zanany, nanana devoly mahery vaika . Nirahin’I Jesoa Kristy Tompo hiasa avy hatrany izy ary resy ilay devoly rehefa naharitra elaela ny ady natao taminy.

Faha 01 Aogositra 1941 no niteny taminy ny Tompo ka nanendry azy hitory ny Filazantsara eny tontolo eny. Mbola nandà indray izy aloha noho ny tsy fahaizany ,fa nanaiky ihany rehefa nanome toky azy ny Tompo fa hampianatra azy

Ny asa maro nataony,Vavaka,Toriteny, Famoahana demonia,Fametrahan-tànana no nampandroso faingana ny Fifohazana teto Madagasika (1941_ …)

5. Pasteur RAKOTOZANDRINY Daniel Farihimena Antsirabe Antananarivo

Zanaka tantsaha ny Pasteur RAKOTOZANDRINY Daniel. Farofy hatry ny fahakeliny ka nanahirana ny ray aman-dreniny. Nentina notsaboina tetsy sy teroa , nentina tany amin’ny mpimasy koa fa tsy nahitana vokany. Teo amin’ny faha 12 taonany dia narary , torana elabe ka noheverin’ny olona ho maty. Tamin’izany torimasom-pahafatesana maharitra izany no nisehoan’ny Tompo taminy. Hoy indindra izy mitantara izany :” Indro hitako olona miakanjo fotsy lava, nijoro teo anilako niteny tamiko hoe : Raha matoky Ahy ianao, dia hositraniko. Nanaiky ny teniny aho ka dia taitra ary sitrana”

Fohy dia fohy (1945 _ 1947) ny fotoana niasany satria farofy izy fa tsy hita pesipesenina ny vokatr’izany asa izany.

Ireo Raiamandreny lehibe niandohan’ny Fifohazana. Tamin’ny taona 1965 no teraka ny Fifohazana FFPM ary tamin’ny taona 1980 no teraka ny Sampana Fifohazana FJKM izay manana ny iraka lehibe ho Fifohazana “Mpampiray” eo anivon’ny asan’ny Fifohazana rehetra.

An’Andriamanitra irery ny Voninahitra, amintsika ny Fiadanana.