Ny Sampana Sekoly Alahady (S.A./FJKM ) dia Sampana iray ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Ny fitsipika mifehy azy dia miainga amin’ny Foto-dalàna sy ny Fitsipika FJKM. Miaraka amin’ny Departemantan’ny Fiangonana izy. Ny asan’ny Sekoly Alahady FJKM dia asa misiona izay miorina amin’ny Baikon’ny Tompo maniraka ny Fiangonana hanao mpianatra ny firenena rehetra (Mat 28, 18- 20), sy hiandry ary hamahana ny ondrin’i Jesoa (Jao 21, 15- 17).

Zava-kendreny

Ny Sekoly Alahady FJKM dia mampianatra ny Tenin’Andriamanitra, na ao anatin’ny Fiangonana izany, na any ivelany, mba hahatonga ny olona rehetra handray ny Tenisoa Mahafaly ho fiainany, ka hivelarany amin’ny maha zanak’Andriamanitra azy tokoa.

Biraon’ny Sampana

♦ Filoha :
♦ Filoha mpanampy (fampianarana):
♦ Filoha mpanampy (fitantanan-draharaha):
♦ Mpitantsoratra rakitsoratra :
♦ Mpitan-tsoratry ny vola :
♦ Mpitahiry vola :
♦ Mpanolotsaina : 

.

RAKOTONJANAHARY Ranoroaliravaka Zoelifara
RAMAMONJY RATRIMO Mbolatiana

RASAMOELY Hery Al-Fetra
RAZAFIMBELO Rachel Emma
RABEARIVONY Rabenja Colombe
RATSIMANOHATRA Nicole Viviane
ANDRIANALIMANANA RAHARINIAINA Verohanitra

« Fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesoa » II Tim.3 : 15

Ny mpampianatra sy ny mpianatra

Olom-boantso ka nanolo-tena hizara ny tenin’Andriamanitra ny mpampianatra, manatanteraka ny baikon’ny Tompo hoe : « Mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra » Mat 28.19a sy ny hoe : « Fahano ny ondriko » Jao 21.17b. Olona niofana sy nianatra teo anivon’ny SAMM (Sekoly Alahady Manomana Mpampianatra) izy ireo.

Ny Sekoly Alahady FJKM dia tsy mifidy sokajin-taona  fa afaka mianatra daholo na ireo zaza sy ankizy alefan’ny ray aman-dreniny hianatra, araka ny fanekena nataony tamin’ny batisa, na ireo tanora sy zatovo ary olon-dehibe te hitombo amin’ny fianarana ny tenin’Andriamanitra. Mizara ho sokajy dimy ny Kilasy (K) misy ny mpianatra : K1-K2 : zaza (3-6 taona), K3-K4 : ankizy (7-10 taona), K5-K6 : tanora (11-14 taona), K7-K8 : zatovo (15-18 taona), K9-K10 : olon-dehibe (18 taona no miakatra).

Hetsika samihafa

Fihaonambe Toamasina taona 2017


Ny sampana Sekoly Alahady  dia nanatanteraka ny fihaonambe faha-VI tany Toamasina ny 8 ka hatramin’ny 11 Aogositra 2017.
« Sekoly Alahady miaina amin’ny Tenin’Andriamanitra, sahy mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy »

Fitsangatsanganana tany Andasibe sy Analamazaotra taona 2014


Ny sampana Sekoly Alahady  dia nanatanteraka  fitsangatsanganana tany Andasibe sy Analamazaotra ny Aprily 2014.