Zanaky ny reformasiona ny FJKM, ary manaraka ny fampianaran’i Calvin (Kalvinista).

Ireto no fototry ny maha FJKM:

.

  • 1- NY TENIN’ ANDRIAMANITRA: Torinteny sy fampianarana araka ny Soratra Masina ihany. (Mat 18:19 ; Mar 16:15 ;Asa 8:31 ; Rom 10:17 . . )
  • 2- NY SAKRAMENTA ROA dia ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo, ary ny LITORJIA .
  • 3- NY KATEKISMA:
    Ampianarana ny Baiboly sy ny tantaran’ny Famonjena;
    Ny fanekem-pinoana Apostolika, Nikeana, Biblika, «Réformée»
    Ny lalàn’Andriamanitra
    Ny vavaka nampianarin’ny Tompo
    Ny fiangonana sy ny tantarany. (Mat 28:20;Jao 21:17 )
  • 4- FANDAMINANA: Ny rafitra sy fitondrana no miahy sy enti-miaro ny finoana sy ny fitaizana azy mba ho velona sy azo iainana

Ny rafi-pitondrana FJKM:


Fomba Presbiteriana Synodaly no arahiny amin’ny fitondrana sy ny fandaminana ka toy izao no firafitr’izany:

SINODA LEHIBE
MPIANDRAIKITRA FOIBE
SINODAMPARITANY
FITANDREMANA

Ny Foto-pinoana dia manambara ny fisian’ny Fiangonana ,ka iantsoana azy hoe “marim-pototra” ,ary toy izany koa ny kristiana, fa ny olona mpino manana Fiangonana misy foto-pinoana mazava , no atao hoe “kristiana manana finoana marim-pototra” ka tsy mora voahozongozon’ny fampianarana samihafa miseho etsy sy eroa.

Ny kristiana miombona tsara ao amin’ny Fiangonana manana Foto-pinoana mazava tsara no afaka miteny hoe “fantatro izay inoako”(2Tim 1:12) sy mahalala ny hevitr’izany .