Fanontaniana mila valiny.

Moa tsy mino na manivaiva an’i Maria ve ny Protestanta ?

Hitantsika ao amin’ny Testamenta Vaovao ny momba an’i Maria, renin’i Jesoa. Vehivavy feno fanetren-tena sy mpankato izy ary nanaiky ho fiasana teo an-tanan’Andriamanitra (Mat 1, 18 ; Lio 1, 30 – 38). Hita ao koa ny finoany ka nanarahany an’i Jesoa hatreny am-pototry ny hazo fijaliana (Jao 19, 26.27). Olombelona sady mpanompo mendrika halain-tahaka amin’ny fanoloran-tenany sy ny finoany i Maria, amintsika Protestanta, fa tsy natao ho mpanelanelana, na mpanalalana akory aza. I Maria mivavaka no asehon’ny Soratra Masina fa tsy izy nivavahana, sanatria (Asa 1,14). Amintsika koa dia tsy niakatra velona any an-danitra izy, araka ny voalaza ao amin’ny Jao 3, 13. I Jaona izay nandray an’i Maria ho reniny. Izy no nandray an’i Maria hitoetra tao aminny nanomboka tamin’ny fotoan’ny herinandro masina (vakio indray Jao 19, 26-27). Raha niakatra ho any an-danitra i Maria dia i Jaona, Apostoly no nahita izany voalohany.

Hoy ny Soratra masina : « …Iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesoa, Izay olona, » (1 Tim 2, 5).