Sehatra mba ampahalalaina ny maha malagasy sy ny lafiny kolotoraly. Ohatra :ny
teny, ny fihavanana, ny sakafo, ny fanambadiana, ny fomba ny foko sns.

Ny fihavanana teo amin’ny Malagasy

Zava-dehibe amin’ny Malagasy ny fihavanana, hany ka fatra-pandala izany izy. Mafy izany atao hoe very amin-kavana izany, ary ny fihavanana no taloha fa tsy ny vola. Koa aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana. Tsimbalivaly anefa ny fiainan’olombelona  ka manaraka ny onjam-piainana eny ihany koa ny onjam-pihavanana : mbetika, milamina sy tony dia tony ny fifandraisana  ka misononoka; mbetika mitroatra sy misamboaravoara izany ka mila ho fefika na ho rendrika mihitsy aza, ka amoron-tevana ny fihavanana. (tohiny…)