Ny Fitandremana no ambaratongan-drafitra fototra ato amin’ny FJKM. Ny Foto-dalana andininy faha-15 dia mamaritra ny Fitandremana ho toy izao: “Ny Fitandremana dia Fiangonana iray (1) na maromaro entin’ny Mpitandrina iray (1) araka ny fandaminana ataon’ny Komity Lehiben’ny Synodamparitany”.

Ankilany, ny Fiangonana dia: “fitambaran’ny mpiara-mivavaka sy mpiara-miangona amin’ny toerana iray araka ny fotopinoana sy ny fomba ary adidy iraisan’ny FJKM”. (FD and.10). Misokajy telo ny olona hita ao anatiny (FDF and. 11) dia ny Vita Batisa sy ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ary ny Mpiara-mivavaka. “Mikarakara ny olona rehetra sy ny olona manontolo, araka ny fomba sy ny adidin’ny FJKM,” no adidiny amin’izany (FDF and. 13)

Fa andaniny kosa, ny Mpitandrina dia “izay mahatsiaro ny tenany fa voantson’Andriamanitra ka niomana sy nianatra ara-dalàna tao amin’ireo Toeram-Panomanana Mpitandrina an’ny FJKM na Toeram-Panomanana Mpitandrina hafa eken’ny FJKM, ka nirahina ho amin’ny fanompoana masina ao amin’ny Fiangonana”.(FDF And. 39)

Ny Birao an’ny fiangonana

Ny Biraon’ny Fiangonana no tomponandraikitra voalohany, miara-miasa amin’ny Mpitandrina. Izy no mamolavola ny hevitra rehetra hitantanana sy hampandrosoana ny Fiangonana ; manara-maso ny fiainan’ny Fiangonana amin’ny ankapobeny, sady manatanteraka ny fanapahan-kevitra samihafa, miaraka amin’ireo Vaomiera Maharitra miisa fito eto amin’ny Fiangonana.

Ireo birao ankehitriny

    ♦  Filoha :
    ♦  Filoha mpanampy  :
    ♦  Mpitantsoratra :
    ♦  Mpitantsoratry ny vola :
    ♦  Mpitahiry vola :
    ♦  Mpanara-maso ny fitantanana :
    ♦  Fandraharahana ankapobeny :

ANDRIAMASINORO Fidimalala, Mpitandrina
RAJAONARIVELO Ravalison Henri
RASOLOFONIAINA Emile
RAJAONARIVONY Fidinandrasana
RABEARIVONY Niaina
ANDRIANASOLO Tahiry
RAPAOLY ARMAND Soloherivelo Janlisy

Ny rafitra mpanampan-kevitra eo anivon’ny fiangonana

Ny fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo no rafitra mpanapan-kevitra eo anivon’ny fitandremana. Tolo-kevitra avy amin’ny biraon’ny fiangonana no entina dinihina ao amin’ny mpihevi-draharaha izay misy ireo diakona sy loholona ary solotenan’ny sampana. Rehefa izany, dia atolotra hotapahina eo anivon’ny fivorian’ny mpandray ilay tolo-kevitra.

Ny rafitra mpanampan-kevitra eo anivon’ny FJKM

Ambaratongan-drafitra telo no mifanongoa ka mandrafitra ny FJKM ho trano Fiangonana lehibe dia ny Fitandremana sy ny Synodamparitany ary ny Synoda Lehibe, araka ny Fotodalàna (FDF) andininy faha 14 hoe: “Rafitra Presbyteriana Synodaly no arahin’ny FJKM ary misy ireto Ambaratongan-drafitra ireto : Fitandremana, Synodamparitany, Synoda Lehibe.”