Ny FIkambanan’ny MPItendry Zava maneno na FI.MPI.Z dia mijoro eto amin’ny Fitandremana Avaratr’Andohalo araka ny fanapahan-kevitry ny Mpihevi-draharaha, tamin’ny Sabotsy27 Aprily 2013. Izany dia ho fanohizana sady ho fandrindrana kokoa ny rafitra ifampitondrana tao amin’ny Sampana Zava-maneno izay efa najoro hatramin’ny 1993.

 

Miorina ary manana fototra ara-tSoratra Masina koa ny fijoroan’ny
Sampanasa Zava-maneno, araka izao :

♦ Miaraka amin’ny zava-maneno hatrany ny hira, eo amin’ny fiainam-panompoana an’Andriamanitra mba hanehoam-pifaliana noho ny famonjen’Andriamanitra ( Eks 15,20; Sal 57,8). – Ahitana zava-maneno hatrany, eo amin’ny fanompoam-pivavahana na ny Litorjia sy ny fotoam-pifaliana (Nom 10,10)

♦ Tsy nisy andro firavoravoana ara-pivavahana ka tsy nahitana mozika sy zava-maneno teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra (2 Sam 6,5 ; Job 21,12;Jer 31) – Ny momba ny zava-maneno koa tamin’ny fiderana an’Andriamanitra dia asa fanompoana manokana notanterahan’ireo Levita (I Tant 15,16; 2 Tant 7,6 sns…).

Zava-kendreny

♦ Ny hanentana ny fanompoam-pivavahana rehetra ato amin’ny Fiangonana, ary hiantoka ny fandavorariana ny Litorjia amin’ny alalan’ny zavamaneno, ka handrindra sy hikendry ny fahatsaran’ izany ho voninahitr’Andriamanitra.

♦ Ny hifampitaizana eo amin’ny Mpitendry zava-maneno, hahatsapany ny lanja sy hasarobidin’ny asa fanompoana ataony, satria ny Sampanasa Zavamaneno dia anisan’ny tompon,’anjara hanao izay hahatsapan’ny mpiangona ho mihaona marina amin’Andriamanitra mandritra ny Litorjia.

♦ Ny hampivelatra sy hikolokolo ary hampiofana ny Mpitendry zava-maneno mba hahafahany manatanteraka ny zara fanompoany araka ny fandaminana eto amin’ny Fitandremana.

Biraon’ny Sampana

♦ Filoha :
♦ Filoha mpanampy :
♦ Mpitantsoratry ny fivoriana :
♦ Mpitantsoratry ny vola :
♦ Mpitahiry vola :
♦ Mpanolotsaina :

RAZAFINDRAKOTO Tiana Harivony
RAVELOSON Johary
RAHOLIARINJATO Rojovola
RAKOTOZAFY Rivo
RAHARISON Omega
RAJAONARISON Mickaël
RAKOTONDRAMASY Mparany

Vaovao samihafa sy tsara ho fantatra

♦ Mampivondrona ny Sampana rehetra ny Sampanasa Zavamaneno, ka tokony hiditra ho mpikambana ireo mahatsapa fa manana talenta amin’ny fitendrena, tsy anavahana sokajin-taona, ka entina ho fanomezam-pahasoavana eo anivon’ny Fiangonana izany hanompoana an’Andriamanitra.

♦ Tsy mampianatra mitendry ny Sampanasa fa miezaka manitsy, manazatra, ary mampiroborobo ny fanomezam-pahasoavana eo amin’ny lafiny mozika.

♦ Miezaka manatsara ny fitaovana madinika araka izay zakan’ny kitapom-bolany ny Sampanasa

♦ Manao ho zava-dehibe ny fananarana sy fanakianana ny Sampanasa, mba hanatsaràna ny fitendrena

♦ Amin’ny fotoam-pivavahana samihafa ankoatra ny alahady maraina dia manondro mpitendry “orgue” iray no tsy maintsy tanterahin’ny Sampanasa Zavamaneno.

♦ Tsy manao hetsika fitadiavam-bola ny Sampanasa fa ny rakitra faharoa amin’ny alahadin’ny Zavamaneno sy ny raki-pisaorana atolotr’ireo Kristiana miangona no fidiram-bola.

♦ Ao amin’ny trano Fiangonana no fanaovan’ny Sampanasa Famerenana

♦ Hisy Sokajy Aim-Panahy ho atsangana ato ho ato, ary hifandrimbonan’ireo mpikambana tsy mitendry.