Zava-kendreny

– Asa nosahananin’ny Komity Haisera teo aloha : fandaminana herinandro manokana (Krismasy, Paska, Pentekosta), fandaminana hetsika fiombonan’ny fiangonana (Zanak’Avaratr’Andohalo, fitsangatsanganana, fetin’ny taranaka …), fampitàna mivantana ireo hetsika rehetra ireo @ internet (araka izay azo atao), fanangonam-baovao @ lafiny rehetra (isaka alahady, hetsika sampana/sampanasa/komity hafa/faritra …) sy @ fomba rehetra (sary, feo, soratra …) ary fampitàna izany @ siteweb/page facebook/mailing … ary fanomezana aina ireo sehatra ireo,

– Asa fanampiny hosahanina manomboka izao : AROFENITRA (protocole) na fandrindrana sy fandaminana ny fotoana rehetra tanterahina eo anivon’ny fitandremana (na izany @ fanompoam-pivavahana alahady na @ fotoana samihafa, aiza ireo fitoerana voatokana, ahoana ny fampandrosoana sy fandraisana vahiny …)

Biraon’ny Sampana

♦ Filoha :
♦ Filoha mpanampy :
♦ Mpitantsoratry ny fivoriana :
♦ Mpitantsoratry ny vola :
♦ Mpitahiry vola :
♦ Mpanolotsaina :

.

RATSIMANOHITRA Marcy
RABEHARIZAKA Manuela Aubert
RAJAONARISON Malala
RADIMISON Sarobidy
RABARILALA Herizo
RATSIFANDRIHAMANANA Bakomalala
RAHOERA Ando Mickaël

Ireo andraikitry ny AFIFAB Foibe:

-Ny Haino aman-jery izay misy ny Famokarana fandaharana amin’ ny Televiziona sy ny Radio Fahazavana izay mifanerasera amintsika isanandro amin’ny alalan’ny fandaharana samihafa, tsy vitan’ny milaza ny vaovao tsara ho fantatra eo amin’ny fiainan’ny FJKM ihany fa fitaovana lehibe hitoriana ny Filazantsara sy hijoroan’ny FJKM ho vavolombelon’i Jesoa Kristy eto amin’ny firenena koa.

–Ny gazety Marturia Vavolombelona mivoaka isaky ny tapa-bolana ahitana lahatsoratra fandalinam-pinoana, vaovao samihafa momba ny fiangonana, famakafakana lohahevitra samihafa momba ny fanabeazana sy ny kolontsaina

-Ny tranonkala na ny « site web » FJKM ahitana ireo vaovao samihafa sy ny tsara ho fantatra momba ny FJKM,

-Ny Arofenitra izay fandrindrana sy fandaminana ny amin’ ny fandavorariana ny fotoan-dehibe samihafa eo amin’ ny Fiangonana: eo am-pandrafetana ny torolàlana momba izany ny AFIFAB ankehitriny. Mandray anjara amin’ny fikarakarana sy ny fandaminana ireo fotoan-dehibe tanterahin’ny FJKM ao anatin’ny taona amin’ny alalan’ny arofenitra ny AFIFAB