FIFANINANANA LOGO SY HIRA FANEVA  .

Jobily faha 25 taona ny SAFIF FJKM Avaratr’Andohalo

Ry havana,

Ampitombohina aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo

Hamkalaza an’Andriamanitra noho ny faha-25 taona nijoroany ny SAFIF AVARATR’ANDOHALO mandritra ny taona 2020 ho avy izao. Koa fifaliana ho anay ny manasa izay rehetra manan-talenta mba handray ajara amin’ny fifaninanana Sary famatarana (LOGO) sy HIRA FANEVA hanamarihan izany Jobily izany.

 

Toy izao ny andinidininy ny fifaninanana:

Fepetra akapobeany mahakasika ny fifaninanana

  • Afaka mandray anjara avokoa izay rehetra misoratra ho Fiangonana eto Avaratr’Andohalo sy ny Zanaka Ampielezana.
  • Atao mifanaraka amin’ny Teny fanevan’ny Jobily sy ny teny fanevan’ny FJKM.

Ny mahakasika ny sary famantarana na LOGO:

  • Loko roa (2) ankoatry ny manga sy ny mainty, fara fahabetsany,  no ampiasaina
  • Atao amin’ny taratasy A4 iray tsy asiana anarana,miaraka amina CD sy taratasy iray voahidy ao anaty valopy mihidy, misy ny anarana sy  fanampin’anarana ,laharana telefonina sy mail ary adiresy an’ilay mpifaninana
  • Atao ao anaty valopy A4 iray mihidy , misy ny filazana mahakasika ny fifaninanana ireo rehetra ireo.

Ny momba ny hira fanevan’ny faha 25 taona:

  • Hira maredondredona, vita solfa
  • Mora hay, mora tadidiana
  • Misy andininy roa (2) na telo (3) miampy fiverenana isan’andininy
  • Atao amin’ny taratasy A4 iray tsy asiana anarana,miaraka amina CD sy taratasy iray voahidy ao anaty valopy mihidy, misy ny anarana sy  fanampin’anarana ,laharana telefonina sy mail ary adiresy an’ilay mpifaninana
  • Atao ao anaty valopy A4 iray mihidy , misy ny filazana mahakasika ny fifaninanana ireo rehetra ireo.

Ny fanaterana ny antotan-taratasy:

  • Fe- potoana farany anaterana ny tolotra: Sabotsy faha 25 Janoary 2020
  • Atolotra ny iray amin’ireto olona ireto:- Alahady :            Andriamatoa ANDRIAMAMPIRAY Fanomezana
    – Andavanandro: Ramatoa TOKY Mpandraharaha
    – Sabotsy:              Andriamatoa RIVO Sacristain;

Ny hafatry ny komity:

Raha misy fangataham-panazavana fanampiny, dia aza misalasala manatona  ny Biraon’ny Komity

 

An’ Andriamanitra irery ny Voninahitra

 

 

RANDRIANJANAHARY Emile

Filohan’ny Komity