Ny Sampana Fivondronana Laika F.J.K.M (S.F.L.) dia Sampana faha VI najoron’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (F.J.K.M) ary nankatoavina ho Sampana tamin’ny Synôda Lehibe faha-VI, tamin’ny taona 1978, tao amin’ny Kolejy Protestanta Rasalama Antananarivo. Nambara ampahibemaso tao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena, ny 29 Janoary 1979 ny fijoroany.

Ny sampana dia natsangana mba hivondronan’ireo vahoakan’Andriamanitra tsy ankanavaka hiara-miasa amim-pitiavana, hampihatra ny Soratra Masina eo amin’ny lafim-piainana rehetra sy hijoro ho vavolombelona amin’ny alalan’ny asa eo anivon’ny fiaraha-monina, araka ny ny teny fanevan’ ny sampana etsy ambony.

Zava-kendreny

Ny Vondrona Fototra Laika  dia sampana velona eo anivon’ny fiangonana ho fampivondrona sy fampiraisan-tsaina ny vahoakan’Andriamanitra mba hampitoetra eto Madagasikara ny tena fiaraha-monin’ny ankohonan’Andriamanitra manomboka amin’ny FJKM:

  • Hifampitaiza, hifanabe, hifampahery amin’ny finoana sy hiandraikitra fanabeazana eo amin’ny fiaraha- monina, mahasahana ny olona manontolo sy ny olona rehetra: vatana saina ary Fanahy.
  • Hikaroka loharanom-bola maharitra ho an’ ny asan’ny Fiangonana ary hikaroka lalan-kevitra sy hanatanteraka izany mba hampivoarana ny fiainan’ny mponina eto Madagasikara.
  • Hitandro sy hiaro ny fijoroan’ny FJKM eo anivon’ny firenena sy ny fiaraha-monina satria izany no mba ho fitaovana hitoriana ny Filazantsara

Biraon’ny Sampana

♦ Filoha :
♦ Filoha mpanampy (1) :
♦ Filoha mpanampy (2) :
♦ Mpitantsoratry ny vola :
♦ Mpitahiry vola :
♦ Mpitantsoratry ny fivoriana :

♦ Mpanolotsaina :

.

RAHOLISON RATSIMBA Claudia Michèle
RAFATRO Mialinirina
RABEARIVONY Hanitra
RAMELINA Magali
SAM-THION Stephane
RAPARIVO Andriamiharitiana
RAOELINA Loyola

 » … mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.  »  Rom 12,1