Ny S.L.K. dia Sampana mitaiza sy manolokolo ny maha olona ny lehilahy, ho fampandrosoana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara.

 

Zava-kendreny

Ny Sampana Lehilahy Kristianina (SLK) dia sampana velona eo anivon’ny fiangonana ho fanabeazana ny lehilahy ho ray mpitaiza sy mpanolokolo ny taranaka ho vanona, mizara fahalalana sy mitaiza ny namana; ho lehilahy mpampihavana sy mitombo hery ary mandray andraikitra. Amin’ny alalan’ireo sokajin’asa telo no hanatanterahana izany, dia ny aim-panahy izay mitarika ny fandinihana ny Soratra Masina, ny fanatanjahan-tena mitaona ny lehilahy sy ny tanora eto anivon’ny fiangonana hanao izany isaky ny zoma hariva ary ny vaomieran’ny hira izay mampianatra sy manomana ny antsam-panahy. Ny asan’ny sampana no hanehoana ny maha filazantsara velona sy mahery azy..

Biraon’ny Sampana

♦ Filoha :
♦ Filoha mpanampy (ara-bola) :
♦ Filoha mpanampy (ara-panahy) :
♦ Mpitantsoratry ny fivoriana :
♦ Mpitantsoratry ny vola :
♦ Mpitahiry vola :

♦ Mpanolotsaina :

.

RANDRIATSARAFARA Lalaharizaka
RABARILALA Herizo
ANDRIANARIVO Gérard
ANDRIANAVALONA Haja
RANDRIANJANAHARY Jacques
RANDRIAMBOLOLONA Mihary
RAJAONARISON ANDRIAMADY Nirina

“ Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ry lehilahy mahery” ( II Tim 1 : 8a ; Mpits 6 : 12b )

Hetsika samihafa

Ny SLK dia nanatanteraka fihaonambe tany Manakara ny 07  ka hatramin’ny 10 oktobra 2019.

Ny volana Jona 2019, ny mpikambana SLK dia nandray anjara mavitrika ary niantoka mihitsy ary ny asa fanamboarana ny AVA Tahala Maitso eny Ilaivola

Fampitaovana AVA Tahala maitso<>

Asa atao am-pitsikina mandrakariva

Fanamboarana ny valin-tafo, ny « structures » rehetra miaraka amin’ny fanafoana ilay trano lehibe AVA Tahala Maitso Ilaivola

Asa fanorenana ny trano lehibe

Fanomezana endrika, fandokoana ny trano lehibe

Fampitaovana ny ati-trano AVA Tahala maitso

Maka aina kely, mikarakara tohan’aina

Raha noana ny kibo, mivezivezy ny fanahy

Fandaminana ny sehatra lehibe AVA Tahala maitso

Mba mifaly amin’izay fa nahavita e

—————————————————————————————————————————————————————————————————————————-

Nanantanteraka fitaizam-batana na « randonnée » ny mpikambana ny 13 aprily 2019 niainga teny Tsarasaotra, nandalo tao amin’ny prezida Emile mianakavy teny Ambohibao Antehiroka rehefa avy namita ny 13 km an tongotra.

Fahatongavana PK O

Fiangan’ny dia tongotra lavitr’ezaka. Ny vehivavy no mandeha aloha

Fiaraha-mientana manomana ny sakafo.

Miandry kely fotsiny… aleo aloha mianatra hira

Fiarahana misakafo sy mifaly