.

.

Hoy i Jesoa:

Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.”

(Jaona 15,5) .

.

Ny Sampana ao amin’ny Fiangonana

NY SAMPANA

Hoy i Jesoa: “Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.” (Jaona 15,5) .

Raha raisina ara-bakiteny ity tenin’ny Tompo Jesoa ity, ny sampana no fitaovana lehibe indrindra mpitondra voa. Ny voa amin’izany dia vokatra azo tsapaina sy hita maso, vokatry ny firaisana amin’ny voaloboka. Koa ny tanjona ampijoroana ny sampana ao amin’ny Fiangonana dia ny hahazoan’ny mpikambana tsirairay ao aminy haneho ny vokatry ny fandraisany ny famonjen’i Jesoa Kristy amin’ny maha Tompony sady Mpamonjiny Azy.

Izany no antom-pananganana ny sampana, ka ataon’ny FJKM ho isan’ireo sokajin’asa ataony ny ho fisian’ny Sampana, araka ny Fotodalana sy Fitsipika (FDF) And. 103. 3: “Ho fijoroana ho vavolombelona ao amin’ny tontolo iainana dia misahana ireto sokajin’asa ireto ny FJKM: 3.Ny Sampana sy Sampanasa ary Asa dia sehatra itaizana ny Kristiana araka ny sokajiny avy.”

Fahefan’ny Synoda Lehibe ny mamaritra ny foto-kevi- dehibe sy ny manangana ny Sampana iray araka ny FDF And.22.8: “Ireto avy no andraikitry ny Synoda Lehibe: 8. Manapa-kevitra amin’ny fanangananaSampana sy Sampanasa ary Asa ka mamaritra ny fotokevi-baventy ijoroany.”Fa rehefa tafajoro izy dia adidy amana andraikitry ny ambaratongan-drafitra amin’ny alalan’ny ambaratongam-pitondrana ao aminy ny manatanteraka ny ho fisiany any amin’ny isan-drafitra any.

Eo anivon’ny Fitandremana ohatra, ny Mpihevidraharaha no toloran’ny FDF fahefana hanangana izany araka ny And. 187. 8: “Ireto no andraikitry ny Mpihevidraharaha: Manangana ny Sampana sy Sampanasa ary Asa ao amin’ny Fitandremana ary mitondra izany eo amin’ny Fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo mba hankatoaviny.”Ny Mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana dia afaka miditra ho mpikambana ao anaty Sampana araka izay ambaran’ny FDF And. 71. 2: “Ny Tsy Vita Batisa, dia ireo mpiara-mivavaka, mbola tsy nandray ny Sakramentan’ny Batisa nefa tonga: 2. Miditra ho isan’ny Sampana ao amin’ny Fiangonana”.

.

.

 

Eto am-pamaranana dia indro atolotra eto ireo sampana valo (08) neken’ny FJKM hijoro ao aminy ankehitriny. Atolotra miaraka amin’izany ny zavakendreny avy, araka izay amaritan’ny fitsipika fototra ijoroany avy.

.

.

.

 Ny Sampana Sekoly Alahady. “Ny Sekoly Alahady FJKM dia mampianatra ny Tenin’Andriamanitra, na ao anatin’ny Fiangonana izany, na any ivelany, mba hahatonga ny olona rehetra handray ny Teny Soa Mahafaly ho fiainany, ka hivelarany amin’ny maha-zanak’Andriamanitra azy tokoa.”

 Ny Sampana Dorkasy: “Ny zava-kendren’ny Sampana Dorkasy FJKM dia ny :1. Mitory sy manambara ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. 2. Manolokolo sy mitaiza ny tanora sy ny ankizy ary ny olon-dehibe amin’ny alalan’ny fampivoarana ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra, saina, vatana, fanahy.”

 Ny Sampana Fifohazana: “Ny Sampana Fifohazana FJKM dia – Mitory ny Filazantsara, mamoaka demonia, mametra-tanana, manasitrana marary ( Mar.16,15-20 ). – Mampandroso ny Fiangonana (IKor.14,12). – Mitady ny fampiraisana (Jao.17,21). – Miaina ny fifankatiavana (Jao.13,34-35)”

 Ny Sampana Mpanazava sy Tily: “Ny zava-kendren’ny SAMPATI FJKM dia ny hahatonga ny ankizy sy ny tanora beazina ao aminy ho tia an’Andriamanitra sy hahalala Azy ao amin’i Jesoa Kristy, ka ho vonona hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny mpiara-belona aminy ao anatin’ny fifehezan-tena sy fanarahana ireo fitsipika mifehy ny fikambanana voalaza ao.”

 Ny Sampana Fivondronana Laika: (Sampana vondrona Fototra Laika no fiantso azy any anivon’nyFitandremana). “Ny zava-kendren’ny Sampana Fivondronana Laika F.J.K.M dia ny hampivondrona sy hampiray saina ny vahoakan’Andriamanitra mba hampitoetra amin’ny toerana rehetra, indrindra eto Madagasikara ny tena fiaraha-monin’ny ankohonan’Andriamanitra manomboka amin’ny FJKM: Hifampitaiza, hifanabe, hifampahery amin’ny finoana sy hiandraikitra fanabeazana eo amin’ny fiaraha- monina, mahasahana ny olona manontolo sy ny olona rehetra: vatana saina ary Fanahy. Hiara-miasa hanitatra sy hampandroso ny asan’ny Fiangonana amin’ny fanomezam-pahasoavana samihafa… Hitandro sy hiaro ny fijoroan’ny FJKM eo anivon’ny firenena sy ny fiaraha-monina mba hahafahan’ny rehetra mandre ny Filazantsara sy mandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy.Hitandro sy hiaro ny fijoroan’ny F.J.K.M eo anivon’ny firenena sy ny fiaraha-monina …”

 Ny Sampana Lehilahy Kristiana: “Hitory ny Filazantsara amin’ny lehilahy rehetra mba hahatonga azy ho lehilahy Kristiana mpitarika mahomby, handray andraikitra eo amin’ny fampandrosoana ny olonarehetra sy ny olona manontolo, ka mba ho LEHILAHY LEHIBE MAHATRATRA NY OHATRY NY HALEHIBEN’NY FAHAFENOAN’I KRISTY(Sal. 22: 22 ; Efes. 13:4).”

 Ny Sampana Tanora Kristiana: “Ny zava-kendren’ny STK FJKM dia mandray ho adidy ny mitory ny Filazantsara amin’ny Olombelona rehetra (Mar.16/15), mba hahatonga ny Tanora hahery sy hitoetra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sady efa naharesy ilay ratsy (IJao.2/4-14b), manabe sy mikolokolo ny Tanora amin’ny lafim-piainany rehetra, mba hahatonga azy ho vavolombelon’i Kristy (ITim.4/12).”

 Ny Sampana vokovoko Manga: “Ny SVM FJKM dia miady amin’ny zava-mahadomelina rehetra ao anatiny sy ivelan’ny Fiangonana. Raisin’ny SVM FJKM ho baikon’ny Tompo asainy tanterahan’ny Fiangonany ny ady amin’ny fanapariahana sy ny fanjifana izany zava-mahadomelina izany ka manaiky izy ho Sampana mpitarika sy mpanentana ny Kristiana tsirairay sy ny Fiangonana manontolo hirotsaka amin’izany ady izany.”

Ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra.