SAMPANA TANORA KRISTIANA ZOKINY

Maha izy azy ny Sampana

Ny Sampana Tanora Kristiana Zokiny, afohezina hoe  S.T.K.Zo, dia Sampana iray miorina eto amin’ny FJKM Avaratr’Andohalo, natao hifampitaizana sy hibeazana  mba hitomboana amin’ny fahalalana sy finoana an’i Jesoa Kristy, ary ahafahana manompo sy miasa ho Azy mba ho fijoroana vavolombelona amin’ny sehatra rehetra.

Amin’ny maha Sampana velona azy ato amin’ny Fiangonana dia manaja ny Foto-dalàna sy ny Fitsipika FJKM ny  S.T.K. Zo sady manaja ny Fitsipika anatin’ny Fiangonana Avaratr’Andohalo ary mankato ny Ambaratongam-pitondrana eto amin’ny Fiangonana .

Zava-kendreny

Ny S.T. K. Zo, amin’ny asa ataony dia mikendry :

  • Ny hitory ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra ( Mar 16,15)
  • Ny hampivondrona sy hanangona ary hitaona ireo Zanak’Avaratr’ Andohalo ao anatin’ny Fiangonana sy any ivelany  mba hiara-miasa  hamelona sy hampandroso ary hampiroborobo ny asan’ Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana.
  • Ny hanainga sy hanentana ny mpikambana samy handray anjara amin’izay tandrifiny azy, araka ny fanomezam-pahasoavana ananany.
  • Ny hahatonga ny mpikambana hahalala an’ Andriamanitra sy hitombo amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy mba hiaraha- manompo Azy amin’ny fifaliana.
  • Ny hanampy sy hanohana ny Fiangonana Avaratr’Andohalo
  • Ny hampifamatotra ny fifankatiavana sy ny fihavanana eo amin’ny samy mpikambana

Biraon’ny Sampana

  • Filoha :                                                 RABEKORONANA Iagasoa
  • Filoha mpanampy / aim-panahy:   RAHARINIVO Nirinamalala
  • Filoha mpanampy / vola:                 ANDRIANASOLO RAKOTONDRIANA IHanta
  • Filoha mpanampy / tohandrafitra: RAHARISON Andrianantenaina Rivotiana
  • Mpitantsoratra ny fivoriana :            RABARISOA RANDRIANAME Annick Viviane
  • Mpitantsoratry ny  Vola :                   ANDRIAMANALINA Maria
  • Mpitahiry vola :                                  RABENARIVO Mamy

 

 

 

Ny vaovao an’ny STK Zo sy ny Hetsika

Ny S.T. K. Zo, amin’ny asa ataony dia manao hetsika fitadiavambola