« Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, (…) hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona. » (Deo 8, 3)

« Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra. » (1 Kor 14, 12)

« Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan’ny tavanareo ny fahatahorana Azy » (Eks 20, 20)

« Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. » (Dan 10, 19)
« Ary ny Tompon’ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. » (2 Tes 3, 16)