Tsindrio ny bokotra PLAY (>) sy ny FAMPAKARANA FEO (< ||||) raha ilaina, mba handrenesanao ny hafatra ataon'ny Raiamandreny Mpitandrina.


TARATASY PASTORALY

Ry hava-malala, mpiara-manompo ao amin’ny FJKM Avaratr’Andohalo.

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
Mamangy antsika rehetra amin’ny Anaran’ny Tompo sady mampahery antsika mandrakariva manoloana ny tranga mianjady amintsika sy iarahantsika mizaka, ary heverina ho toy ny « tsilo » (2 Kor 12, 7) avelan’Andriamanitra ho eo amintsika.

Fa hoy ny Soratra Masina : « Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra ». Koa matokia fa hain’Andriamanitra ampiarahina miasa hahasoa antsika tokoa ny zavatra rehetra.

Misaotra an’Andriamanitra hatrany isika fa noho ny fahasoavany dia afaka niombom-bavaka sy niarananompo tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana ampitain-davitra. Afaka miasa amin’ny fomba maro samihafa ny Tompo hampitombo ny finoantsika. Mazava anefa ny tenin’ny Soratra Masina fa tsy vanona mihitsy ny finoana tsy misy asa (Jak 2, 20), izany hoe finoana poakaty ka tsy azo anantenana na inona na inona. Misy asa maro apetraky ny Tompo amintsika ao amin’ny Fiangonana : Akany ao Anjohy sy Ilaivola, ny adidintsika amin’ny fiahiantsika ny Sekoly FJKM Ambohijatovo. Tsara ny manamarika fa ny sekoly FJKM rehetra dia tena mandalo fotoan-tsarotra tokoa izao !
Koa mba ho hahazoantsika miasa amin’ny finoana, dia amafisina eto ny fandaminana aroson’ny Biraon’ny Fiangonana, izay fomba fiasa vonjimaika ao anatin’izao fotoan-tsarotra lalovantsika izao ihany izany, ahazoantsika manao rakitra, na adidy, na vokatra sy ny maro hafa.

Fomba samihafa no azontsika atao amin’izany :

  1. Virement amin’ny Kaontin’ny Fiangonana, Banky BMOI Prestige Antaninarenina, 00004 – 00001 – 070825 – 00 – 197 – 32 MGA
  2. Versement Espèces na chèques, atao amin’ny anaran’ny FJKM Avaratr’Andohalo.
  3. Mobile Money :
    • MVola laharana : 034 41 228 19, amin’ny anaran’i Dinamirindra (RAJAONARIVONY Fidinanadrasana Dinamirindra)
    • Orange Money, laharana : 032 95 463 43 amin’ny anaran’i Fidinandrasana (RAJAONARIVONY Fidinandrasana Dinamirindra)

Fanamarihana sy fepetra samihafa : 

  • Aza adinoina ny milaza ny « ANTONY » (motif) : Vokatra Paska, Rakitra voalohany, na faharoa ho an’ny AKANY, na Raki-pisaorana, na Rakitra Fandraisana, na Rakitra Sekoly, Alahadin’ny Mpitandrina, Samihafa… Rehefa avy mandrotsaka na mandefa vola isika dia iangaviana mba hanamafy izany amin’ny alalan’ny SMS, na antso mivantana, na mailaka  any amin’ny Mpitantsoratry ny vola, na ny Mpitahiry volam-piangonana.
    Izany dia amin’ireo laharana eo aloha ireo, na amin’ny alalan’ny mailaka <fidiraj@gmail.com>, na amin’ny Mpitahiry vola : Finday Laharana 034 05 266 06 // <nrabeMPV@gmail.com> .
  • Ireto no tsara  hotadidiana sy ampitaina amin’ny Mpitantsoratry ny vola, na ny Mpitahiry vola :
    • Daty nandrotsahana
    • Maribola natolotra
    • Antony (Vokatra Paska, Rakitra voalohany, na faharoa ho an’ny AKANY, na Raki-pisaorana, na Rakitra Fandraisana, na Rakitra Sekoly, Alahadin’ny Mpitandrina, Samihafa).
    • Ny fomba nandefasana ny vola :
        1. Versement Espèces na versement Chèque na virement
          • Raha ny fomba voalohany no nampiasainao ka nandrotsaka vola tamin’ny Chèque ianao dia aza adinoina ny N° Chèque sy ny anaran’ny Banky ;
          • Raha natao virement, dia tsarovy ny Réf virement.
        2. « MVola » na « Orange Money »
          • Raha natao transfert MVola na Orange Money dia aza adinoina fa omeo ny Biraom-piangonana ny Ref nanaovana ilay famindrana na fandefasam-bola (transfert).
        3. ilaina ireo amin’ny fanaovana rosia ho antsika.

Dia mampahery antsika hatrany ry havana. Koa mijoroa, tano ny finoana ary araho asa izany, satria voavonjy isika ka miasa sy manompo Azy. Tsy an-tery anefa izany, satria iaraha-mahalala ny fahasahiranana mianjady amin’ny isan-tokantrano, ary mazava ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe : « Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra » (2 Kor 9, 7) – Andriamanitra no mahalala ny fiainantsika sy ny momba antsika. Izy anie hitahy antsika sy ny asa ikelezantsika aina.

NY TRANO FIANGONANA NO MIKATONA FA I JESOA KRISTY LOHAN’NY FIANGONANA EO AFOVOANTSIKA HATRANY, SADY MOMBA ANTSIKA MANDRAKARIVA !

« Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo. » (1 Kor 15, 58)

Antananarivo, faha 18 Jolay 2020
Ny Mpitandrina
ANDRIAMASINORO Fidimalala, Mpitandrina F.J.K.M.