Ny Tantaran’ny FJKM:


Fiangonana telo samihafa no nitambatra ho Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM).

  • Ny London Missionary Society (LMS)
  • Ny Friends’Foreign Mission Association (FFMA)
  • Ny Mission Protestante Française (MPF)

Nandalo fisedrana ny Fiangonana: tao ny fanenjehana tamin’ny andron-dRanavalona voalohany (1828-1861), betsaka ny maritiora maty novonoina, nodorana, navarina tamin’ny hantsana, nolefonina, notoraham-bato, tao ny mba afaka nandositra niery sy nanao fiaraha-mivavaka tany anaty zohy tany toy ny tany Vonizongo.

Nisy ny misionera novonoina toa an-dry William sy Lucy ary Bloson Johnson tany Arivonimamo tamin’ny andron’ny menalamba tamin’ny 22 Novambra 1895.

Paul Minault sy Benjamin Escande…

Ireto ny daty tokony ho tadidina:

  • 11 Marsa 1950 nanao fanambarana ny FFMA fa ny firaisan’ny Fiangonana entin’ny misiona telo tonta LMS,FFMA,MPF no lalana hitondrana sy hampiraisana ny Fiangonana Malagasy ho azo antoka.
  • 8 Novambra 1950 teraka ny komitin’ny firaisana niarahan’ny Malagasy sy ny Misiona. Ny malagasy moa nanana ilay firaisana sy naniraka evanjelista tany anindran-tany nomeny anarana hoe Isan’Enimbolana.
  • 18 taona taty aoriana vao hita sy niharihary ny vokatra ka ny 13-17 Aogositra 1968 ny Synoda lehibe voalohany niarahan’ny misiona  Telo sy ny malagasy natao tao Toamasina.
  • Ary ny 18 Aogositra 1968 no teraka ny firaisan’ny Fiangonana ka nahatonga ny Fiangonana tokana  nomena ny anarana hoe « Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM)»

Fa mialoha ireo dia niova anarana ho malagasy ny fiangonana nentin’ny misiona tsirairay dia ireto izany

1818: LMS
LONDON
MISSIONARY
SOCIETY

|

1953: FKM
FIANGONAN’I
KRISTY ETO
MADAGASIKARA

1867: FFMA
FRIENDS FOREIGN
MISSIONARY
ASSOCIATION

|

1959: FFM
FIANGONANA
FRENJY
MALAGASY

|

1897: MPF
MISSION
PROTESTANTE
FRANCAISE

|

1958: FPM
FIANGONANA
ARA-PILAZANTSARA
ETO MADAGASIKARA

1950-1968
KOMITIN’NY FIRAISANA

|

18 Aogositra 1968
FIANGONAN’ I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
FJKM

.

Ny FJKM no azo ambara ho Fiangonana nitarika ny fampiraisana  sy isan’ny mpamaky lay amin’izany  nefa samy nijery ny soatoavin’ny fiangonana tsirairay.Ary dia tsy olana loatra aminy ny fiarahana amin’ny fiombonana amin’ny oecuménisme.

Ny fiombonany amin’ireo vondrom-piangonana misy:

Rehefa manao ny fanekem-pinoana ny FJKM hoe: « … Mino ny fiombonan’ny olona masina aho…» dia manambara izany fa tsy amin’ny finoana ihany fa tena fiainany mihitsy izany araka ireto vondrom-piangonana misy azy manaraka ireto:

  • FFPM Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara  izay fitambaran’ny FLM sy ny FJKM;
  • FFKM Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara izay ivondronan’ny FJKM, ny FLM sy ny EKAR ary ny EEM;
  • FMBM Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy.

Misy ihany koa ireo ivelan’i Madagasikara.