Iza moa ireto Iraka ireto ?

Teo amin’ny lafiny asa : Ny Mpitandrina RAMBOANJANAHARY RASOLONJANAHARY Samoelijaona dia talen’ny Sekoly Vinet Ambohimalaza sady mpampianatra taranja marika tao, avy eo izy dia mpampianatra taranja marika hatrany tao amin’ny Sekoly Paul Minault Androhibe.

Teo amin’ny lafiny asa fanompoana :

  • Sekreteran’ny FJKM Androva Vaovao izy tamin’ny fotoana nipetrahany tany Mahajanga,
  • Diakona tao amin’ny FJKM Ambohimalaza Firaisana. fony Talen’ny Sekoly Vinet,
  • Nanao ny asa maha Diakona tao amin’ny FJKM Ambohijatovo Fitiavana izy mivady talohan’ny nandehanany ho misionera.

Tamin’ny fotoana niasany tany amin’ny nosy Solomon Islands izy no nangataka tamin’ny Foibe FJKM hanao fianarana ho Mpitandrina ka rehefa nekena izany dia noraisin’ny Kolejy Teolojika tany amin’ny Nosy Fidji izy ; ary rehefa nahatanteraka fizaran-draharaha dia notokanana ho Reverend, na Mpitandrina no iantsoana azy raha aty  amintsika.

Ramatoa RAZAFINDRAMARY Parfaite RAKOTONDRAMASY kosa dia Dokotera nify, Chirurgien dentiste, ary niasa mahaleotena rehefa vita fianarana :

  • Mpandray ny Fanasan’ny Tompo teto Avaratr’Andohalo
  • Mpikambana ao amin’ny antoko mpihira AMAA nanomboka ny taona 1969
  • Noraisin-tànana ho mpampianatra Sekoly Alahady teto amin’ny FJKM AA tamin’ny volana febroary 1978.
  • « Loharano mpanentana » no anarany eo anivon’ny fikambanana Mpanazava eto Madagasikara, ary Foibe Mpanazava izy talohan’ny nandehanany.

Mianadahy ny zanak’izy mivady ary ankehitriny dia mianadahy koa ny zafikely.

Ny zanany lahy moa ankehitriny dia mpandray ny Fanasan’ny Tompo sady mpikambana ao amin’ny Sampana SLK sy AMAA eto Avaratr’Andohalo.

.

Ny filohan’ny FJKM miaraka amin’ny vaomieran’ ny Iraka , ny mpitandrina ao amin’ny Paroisse Internationale Fjkm Andohalo sy ireo tanora efa nisitraka ny programan’ny CWM.

Ireo misionera niasa tao amin’ny CWM nivory tao Maurice

Inona no kosa no asa nanirahana azy ireo ?

Ny FJKM dia mpikambana ao anatin’ny Council for World Mission (CWM), izay nanana ny foibeny teo aloha tany Londres, io ilay LMS taloha, naniraka ny Misionera voalohany teto Madagasikara.

Mandray tsy tapaka gazetim-pifandraisana avy amin’ny CWM ny FJKM ary tamin’ny taona 1992 no nahitan’ny mpiandraikitra ny tranomboky Kolejy Teolojika Ivato ny fitadiavana mpiasa hiasa eo anivon’ny CWM ka ny Fiangonana United Church of Papua New Guinea and the Solomon Islands any Pacifique no mitady mpampianatra taranja marika (mathématiques) sy Dokotera nify noho ny tsy fisian’ireo eo anivon’ny sekoly sy hopitalim-piangonana any.

.

.

.

Tsy fifanandrifian-javatra akory na hoe kisendrasendra fa tena antson’ny Tompo mihitsy no nisian’ny mpivady miasa eo amin’ny sahan’ny FJKM manana ny mari-pahaizana ilaina, ka rehefa natolotry ny Foibe FJKM izy mivady dia nanaiky avy hatrany ny tany Londres ka nanamora ny fahazoan-dàlana rehetra niaraka tamin’ny Foibe FJKM hahazoan’izy mivady sy ny zanany mianadahy hihazo an’i Londres, satria mihofana any Londres aloha ny misionera vao mandeha any amin’ny tany anirahana azy.

Koa rehefa vita ary ny fanompoam-pivavahana fitsofan-drano sy fanirahana azy ireo tao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana izay notarihin’ny Foibe FJKM dia nanainga ho any Angletera izy mivady sy izy mianadahy zanany.

Kely dia kely no fantany momba ny nosy Solomon Islands iasany, be ny fanontaniana tsy voavaly momba ny toerana, ny mponina, ny fomban-tany ets…, kanefa dia nandeha tamin’ny finoana sy fahatokiana an’Andriamanitra izy ireo  vonona handavorary ny iraka nataony.

Volana aprily taona 1994 no nanomboka ny asa ka tao amin’ny sekolim-piangonana Goldie Collège no niasan-drangahy. Tsapany ho nila fanarenana ny fomba fampianarana koa dia nitolona ho amin’izany Ramose mpampianatra ankoatra ny tena fampianarana. Noraisiny an-tanana ny taranja fampianaram-pinoana. Niandraikitra ny fanaovana sy famoahana gazety tao amin’ny sekoly koa Ramose.

Ramatoa kosa dia tao amin’ny Helena Goldie Hospital tao Munda no niasa, ka ny fampiakarana lenta ny trano fitsaboana nify kosa sy ny fiadiana amin’ny fanaranam-pon’ny olona amin’ny zava-mahadomelina tsakoina mahatonga fahasimbana be ny ativava sy nify no ady natrehiny.

14 taona no niasan’izy ireo tao Solomon Islands ary voatendry hiasa tany Christmas Islands any Pacifique ihany izy ireo ny 8 taona manaraka.

Lafiny iray amin’ny maha mpanompon’Andriamanitra manatanteraka iraka izay voalaza teo.

Eo amin’ny lafiny asa fitoriana kosa, mpitoriteny miasa eo anivon’ny fiangonana sy mandehandeha mamangy ny fiangonana manodidina ary misahana ny fiaraha-mandinika ny Baiboly no nanombohana ny asa fitoriana nanendrena azy raha vao tonga kelikely tany ry zareo. Misahana feno ny fanompoam-pivavahana ny mpitoriteny saingy tsy mampandray, tsy manao batisa, tsy manamasina fanambadiana, tsy mitarika fandevenana. Taty aoriana rehefa lasa mpitandrina izy vao nisahana ny rehetra. Natrehiny ny asa maha mpitandrina nefa koa dia nitondra fampaherezana ho an’ny olona toy ny tamin’ny nisian’ny tsunami tamin’ny 2007.

Ramatoa kosa ankoatra ny maha mpitsabo nify azy dia nisahana ny ara-tsosialy ka niara-niasa akaiky tamin’ny fikambanam-behivavy tao am-piangonana sy tao amin’ny Goldie College. Izy koa no nitarika ny skotisma zazavavy tao Goldie College.

Ny fitoriana an-kira tany amin’ireo fiangonana manodidina dia nosahanin’izy mivady niaraka. Tsapany mantsy fa ny hira dia fitaovana mahery fampitana ny hafatr’i Kristy amin’ny mponina any. Ny hira antema 16, rehefa nadikan’ny zanany lahy amin’ny fitenim-paritra roviana dia nanjary hira fanevan’ny Fiangonana nisy an-dry zareo. Nahatarika olona ho kristiana ity fitoriana an-kira ity.

Ny tany Christmas Islands dia tao amin’ny sekolim-piangonana Kiribati Protestant Church no niasa Rev Ramboajanahary, ary mitovy amin’ny asa fitandremana sy asa fampianarana tany Solomon Islands ihany no nosahaniny. Niampy fampianarana taranja siansa sy teny anglisy ny tao. Mpitandrina aumonier tao amin’ny sekoly koa izy ary teo anivon’ny fiangonana dia nataony avokoa ny asa maha mpitandrina.

Tsy mba nanana toeram-pitsaboa-nify ny Fiangonana tao Christmas Island. Ny hopitalim-panjakana anefa efa ho 10 taona tsy nanana mpitsabo nify koa dia voaray ho mpiasam-panjakana Ramatoa. Nataony avokoa ny asa fitsaboa-nify, singanina manokana ny fahasalaman’ny aty vava sy nify izay nezahiny ka mitety sekoly izy mampianatra fiborosiana nify sy mizara borosy nify ho an’ny mpianatra madinika. Nanao ny fikarakarana rehetra koa izy hahazoan’ny hopitaly laboratoara fanaovana solonify. Na dia tsy hopitalim-piangonana aza no niasany dia nataony nanana anjara lehibe teo anivon’ny asa ny fiaraha-mivavaka.

Toy izany raha amin’ny ambangovangony no azo lazaina amin’ny asa misionera nanirahana azy mivady. Nifarana tamin’ny faran’ny taona 2016 ny iraka nampanaovina azy ireo. Tonga rahateo koa ny fotoana fisotroan-dronono. Koa isaorantsika Andriamanitra fa tafaverina soamantsara eto an-tanindrazana izy hanohy indray ny asa fanompoana eo anivon’ny fiangonana.

Be fitiavana tokoa ny Andriamanintsika, koa isaorantsika Izy izay niantso sy naniraka, Izy no nanome hery sy tanjaka ary fahasalamana hahatanteraka ny iraka maha-misionera nandritra izay 22 taona izay.  Koa andeha hiombonana amin’izy ireo ny teny faneva noraisiny ao amin’ny I.Tim 1, 12 manao hoe :

« Misaotra an’i Kristy Jesoa Tompotsika aho, izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ny fanompoana »

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.