.

Ry zanaky ny fiangonana Avaratr’Andohalo,

na ny eto an toerana, na ny any ampielezana,
« ho aminareo anie ny Fiadanan’ny Tompo ».

Efa an taonany maro no naniriantsika hanorina akany
hoan’ny fiangonana Avaratr’Andohalo ka nitolomantsika am-bavaka sy niandrasantsika fatratra tamin’ny finoana sy fanantenana.

Mamaly vavaka ny Tompo, Tonga ny fotoan’andro voatendriny. Hitsangana isika mpanorina izany akany izany, Koa isaorantsika Andriamanitra, raha amin’izao andro-pahavelomantsika izao no voatendriny satria: tiany ho mpiara miasa aminy ianao hanorina akany.

Koa alao hery ary samia misikina ka mahefa fa Andriamanitra tsy manolotra adidy tsy vitantsika izany!

Kanefa mitandrema araka ny teny voalaza fa ny taotrano tsy efan’irery.

Ampiraiso ny fo, ampiraiso ny saina, vorio ny herinao ry Avaratr’Andohalo
mba ho saina iray sy vava iray no hiarahantsika manome voninahitra an’Andriamanitra @ asa lehibe fanorenana ny akany

Hoan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, zay efa tiantsika ka nanome antsika fanatenana tsara hoamin’ny Fahasoavana, izy no hampahery anareo amin’ny asa sy ny teny tsara rehetra. Ho azy irery ihany ny Voninahitra!

Andriamasinoro Fidimalala, Mpitandrina

Toy izao  ny firafitry ny trano araka ny naminavinan’ny Komitin’ny fanorenana ny Akany FJKM Avaratr’Andohalo azy:

Ezaka voalohany ny fanaganana hatreo amin’ny rihana voalohany izay nametrahana fanamby amin’ny 20 desambra fara fahatarany. Mandeha mafy tokoa ny asa araka izao hitantsika izao. Koa manentanana sy misaotra antsika sahady amin’izay tolotanana ho ataontsika.

Ny niaingan’ny asaMandavaka fototra:Mandavaka fototra:Miady amin’ny delestazy
Fitaovana ampiasainaFampiakarana rindrimbato:Fivoaran’ny asa:Fivoaran’ny asa:

Ity takelaka ity misy fampahalalana vitsivitsy mety hanampy anao raha toa ka fitaovana na akora no atolotrao.

Ireto avy ireo mpikambana mandrafitra ny Komity ny fanorenana Akany:

  • Rajaonarison Andriamady Nirina (Filoha)
  • Rasandimanana Hariniaina
  • Randrianjanahary Jacques
  • Ramandimbivololona Mihary
  • Ratsimandresy Navalonjaka
  • Ranjato Harison
  • Randrianjanahary Emile
  • Ratsimandresy Jean
  • Ramandiamanana Michaël
  • Randriasendrarivony Christian
  • Rakotozafy Rivo
  • Rajaonarivony Eric Lanto
  • Raheliarisoa Lydia
  • Ravelonjatovo Mboasalama
  • Randrianarivo Gérard
  • Rajaonarison Beby Emma
  • Rabesaona Raymond
  • Andrianavalona Haja
  • Rakotoarivelo Claude
  • Andriambolamaharo Jeannot
  • Randrianarivony Joseph
  • Rafatro Mialy
  • Ratsimba Claude

Ireto avy avy no fomba ahafahantsika mifandray:

Ny biraon’ny komity: 033 14 876 38 / 034 14 876 38

Raha hanome tolotanana ianao, dia:

Fametrahana ny vato fototra sy fotoam-pivavahana nitondrana teo amin’ny Tompo ny fanombohana ny asa.

Afaka jerena manontolo avy amin’ity rohy ity:

Fametrahana vato fototra volana oktobra 2019