Ny tantaran’ny fiangonana

FAMINTINANA NY TANTARA Ny volana Oktobra 1864 no niorenan’ny Fiangonana Avaratr’Andohalo. Kristiana 40 mianadahy tao amin’ny Fiangonana Analakely notarihin’andriamatoa ingahy RAINITRIMO sy RAMAKA . Mponina tety amin’ny faritra ambony ry zareo ary nanam-paniriana hanorina fiangonana manakaiky ny Kianjan’Andohalo , toerana izay nanamelohana ireo Martiora Kristiana mba hijoroana ho vavolombelona. IREO DATY TSARA  HOFITADIDY 1864 : [...]