Tsindrio ny bokotra PLAY (>) sy ny FAMPAKARANA FEO (< ||||) raha ilaina, mba handrenesanao ny hafatra ataon'ny Raiamandreny Mpitandrina.


TARATASY PASTORALY

Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana Avaratr’Andohalo, dia mamangy ny zanany rehetra, na eto an-toerana na any ivelany. Ho aminareo ny Fiadanana !

Mampahery antsika Zanak’Avaratr’Andohalo (ZAA) manontolo eo anoloan’ny fitsapana sy ny fizahan-toetra ny finoana, tamin’ny tsy maintsy niaretana tao anatin’ny fihibohana sy nitolomana tao anatin’ny vanim-potoanan’ny valan’aretina. Nisy ireo niady tamin’ny fahafatesana ary tao nidonam-pahoriana sy namoy havana. Mampahery sy mampionona ary mivavaka ho anareo izahay.

Hotanterahina amin’ny Alahady 01 Novambra 2020 izao ny vokadehibe faharoa fanaon’ny FJKM Avaratr’Andohalo, amin’ity taona ity. Koa miantso antsika zanaky ny Fiangonana mba hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana izay faranana amin’ny Fanasan’ny Tompo, sy ny fanateram-bokatra, ka samia mitondra eo anatrehan’Andriamanitra izay natokantsika ho Azy avy, araka ny teny manao hoe : « Samia manokana ao aminy avy, rakitra, na amin’inona na amin’inona anambinana azy » (1 Kor 16, 2).

Indroa ny fidirana : Ny Vondrom-paritra voalohany no hiditra amin’ny 8 ora sy sasany maraina, ary ny Vondrom-paritra faharoa kosa, dia hiditra amin’ny 10 ora sy sasany. Isika Zanaka ampielezana dia afaka manatratra izay fidirana mety amintsika.

Koa alao hery ry Zanak’Avaratr’Andohalo, andeha hasehontsika fiombonana sy firaisan-kina, hifarimbonantsika amin’ny hery sy finoana. « Koa amin’izany,…dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo » (1Kor 15, 58).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !

Antananarivo, faha 30 Oktobra 2020
Ny Mpitandrina
ANDRIAMASINORO Fidimalala, Mpitandrina F.J.K.M.