Avaratr'Andohalo en-tete

Ho antsika Kristiana
Eto amin’ny FJKM Avaratr’Andohalo

Ry havana,
Ny Biraon’ny Fiangonana no mamangy antsika rehetra. Ho aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanan’ny
Tompo.

Niarahantsika nandre ny fanambarana sy fandaminana nataon’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, tamin’ny alalan’ny Filoha, IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, izay manome alalana ny Mpitandrina hamoha ny trano Fiangonana isanandro sy ny Alahady.
Rentsika koa ny hafatrafatra nataony momba ny tsy maintsy anarahana ny fepetra rehetra ara-pahasalamana hitandrovana ny valan’aretina tsy hihanaka :

  •  Tsy mahazo mihoatra ny 50 ny isan’ny mpiangona indray miditra, ary manaja ny elanelana iray metatra, eo anoloana sy ny aoriana ary havia sy havanana.
  •  Manao tambim-bava avokoa na ny Mpitandrina, na ny Mpiangona,
  •  Manomana fanasana tanana amin’ny savony eo am-pidirana ho an’ny mpiangona rehetra, sy ny maro hafa tsy maintsy hajaina sy tandrovina antsipiriany.

Izahay Mpitandrina sy ny Biraon’ny Fiangonana, rehefa nifandinika dia manao fandaminana sy mampita amintsika izao filazana izao:

  1. Isaorana ny Filoha sy ny Birao Foibe amin’ny fahatsiarovany ny hetahetan’ny vahoaka kristiana FJKM, izay « manina sady vonton’alahelo ny kianjan’i Jehovah » (Sal 84, 2).
  2. Iaraha-mahalala ary tsy azo adinoina fa mbola mitohy ny hamehana ara-pahasalamana enti-miady amin’ity valan’aretina mampidi-doza ity mba tsy hiparitahany, ka miara-mifarimbona tsy ielezan’ny valan’aretina isika Fiangonana. Koa mpizara aina sy fahavelomana tahaka an’i Kristy isika, fa tsy mpizara fahafatesana ; ary tranga mety hiseho izany, sanatria, raha toa tsy voatandrina ny fepetra.
  3. Sarotra ny fanatanterahana amin’ny antsipiriany ireo fepetra ireo ho an’ny mpiangona, na dia ny fomba enti-mametra ny isa ho 50 indray miditra ihany aza. Indrindra ho antsika Avaratr’Andohalo, izay tsy fiangonana mifanila vodirindrina amin’ny mpivavaka ao aminy (tsy Eglise de Quartier), fa mandany fotoana sy mandany vola isika vao ho tonga eny am-piangonana : Iza no hiditra voalohany, iza no hiditra faharoa ? Ho voara-maso ve ny fepetra rehetra ho an’izay miandry ao an-tokontany, mandra-piravan’ny voalohany ? ….Sy ny maro hafa.

Noho izany :

  1. Hiombom-bavaka hiaraka amin’ny vahoaka isan-tokantrano mihiboka ihany isika, satria tsy hoe miandry antsika any am-piangonana ny Tompo, fa hoy Izy : « Na aiza na aiza iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako dia eo afovoany Aho » (Mat 18, 20). Ny trano Fiangonana no mikatona fa ny fontsika sy ny tokantranontsika vohay handrosoan’ny Tompo, fa efa mitsangana eo am-baravarantsika Izy ka mandondòna, raha mihaino ny feony isika dia handroso ao amintsika Izy (vakio Apo 3, 20).
  2. Tohizantsika hatrany ny fandaminana efa natao hatramin’izay nisian’ny fihibohana izay, na ny fiombonantsika amin’ny Litorjia iray, na ny fomba entintsika manatanteraka ny asa sy adidy samihafa.
  3. Hampitaina amintsika tsy ho ela kosa ny fotoana ahazoana manao « maraim-baovao », izay fanaon’ny Sampana Fifohazana, amin’ny andavanandro, amin’ny andro mahazatra ny SAFIF ; kanefa dia amin’ny fanajana hatrany ireo fepetra ireo.
  4. Miandry ny fandaminana sy ny toromarika momba ny fialana amin’ny fihibohana malaladalaka kokoa noho izao isika, vao hiroso amin’ny fandaminana fiaraha-mivavaka ao am-piangonana.
  5. Fanomezana alalana no nataon’ny Foibe FJKM, raha nanao izao fandaminana izao izy. Ny isam-pitandremana no mahita sy mahalala ny hatao ao an-toerana amin’izany alalana nomena izany.

Dia manantitra hatrany ny fampaherezana sy ny firarian-tsoa ombam-ptahiana ho antsika mpianakavin’ny finoana, ry havana.

Antananarivo, faha 23 Aprily 2020
Ny Mpitandrina
ANDRIAMASINORO Fidimalala, Mpitandrina F.J.K.M.