Nisafidy ny hitoetra tao Kanana izay toerana efa nampanantenain’Andraiamanitra an’i Abrahama i Jakoba sy ny ankohonany (Gen 35. 9-12). Izay manaraka ny sitrapon’Andriamanitra dia mandray ny fitahiany sy ny famonjeny
Fifampialonana (2-4). Roa ambin’ny folo lahy no zanak’i Jakoba avy amin’ny vehivavy efatra: Lea , Rahely, Zilpa, Bila.
Josefa ilay faha-iraika ambin’ny folo dia niavaka. Nanana fitiavana manokana azy ny rainy. Nanamboarany akanjo tsara nampiavaka azy izy Josefa izay fanome ny lahimatoa. Niteraka ady, fankahalana teo amin’ny zanany izany fifampitondrana izany (Efe 6. 4).
Ny fitondrana mitanila dia poizina amin’ny fifandraisana, manimba sy mandratra fo ka mety hitarika ho amin’ny fahotana.
Mila mitandrina ny ray aman-dreny, ny mpitarika mba ho feno fitiavana ka hanana ny fahendrena eo amin’ny fitarihana sy ny fifampitondrana.
Josefa sy ny nofy (5-10). Efa nanomana an’i Josefa ho amin’ny planiny ny Tompo ka nametraka tao anatiny ny vinany tamin’ny alalan’nofy. Nandray izany i Josefa ary nitantara izay nofiny tamin’ny fianakaviany. Nampitombo ny fankahalan’ireo rahalahiny azy. Ny fahendrena avy amin’ny Tompo no mila angatahina mandrakariva rehefa hizara vina, na fijoroana vavolombelona mba hahatrarana ny tanjona. Ny fitarihan’ny Fanahy ihany koa no manampy antsika hahalala ny fotoana mety sy ireo olona tokony hifampizarana izany.
Jakoba nitahiry izay nambaran’i Josefa (11). Mihaino, mandinika, fa tsy mandà be fahatany i Jakoba.Nanana fahatakarana izy fa nisy hafatry ny Tompo fonosin’ny nambaran’ny zanany. Iray amin’ny fomba fiasan’Andriamanitra ihany koa ny nofy kanefa mila feno ny Fanahy hahaizana mamantatra ny avy amin’ny Tompo marina tokoa.