Fotoana manan-tantara eo amin’ny Protestantisma ny 31 Okt 1517, ka araraotintsika izany ianarana mba hahafantarana bebe kokoa ny maha Protestanta sy ny foto-kevitra vitsivitsy ijoroany sy iavahany, amin’ity Alahady 30 Oktobra ity. Ny alin’ny Zoma 31 Oktobra 1517 no namoahan’i Martin LOTERA ho peta-drindrina ny foto-kevitra miisa 95, izay nanova tanteraka ny fiainan’ny Fiangonana kristiana. Fotoana fohy taorian’izay dia tafasaraka tamin’ny renifiangoanana tao Roma ny ampahany tamin’ny Fiangonana tany Eoropa ka teraka teo Fiangonana Protestanta.

Inona moa ny hoe Protestanta ?

Tsy midika hoe « Mandà », na « Mpandà », ihany ny hevitra hoe : Protestanta. Mananan hevitra dika hafa koa izany : manamafy sy mijoro amin’ny hevitra tanany (finoany) ary sahy mijoro ho vavolombelon’izany. Koa ny « Protestanta » dia ilazana olona sahy mijoro ho vavolombelona , manambara am-pahibemaso ny finoana tànany sy maharesy lahatra azy, ary tsy azo hozongozonina na ovàna hevitra amin’izany izy.

Taiza no nanomboka ny fanitsiam-pivavahana Protestanta ?

Tany Eoropa, ary tany Alemaina i Martin LOTERA sy ireo teolojiana vitsivitsy no nanomboka izany, tamin’ny 1517. Nitatra tany Frantsa izany, tany Strasbourg ary tany Soisa. I Jean CALVIN, teratany Frantsay no nanamafy orina izany tany amin’ireo firenena ireo. Nahazo faka tany Soisa sy tany Frantsa ny Protestantisma, araka ny foto-kevitr’i Jean CALVIN, dia ny Protestanta Refôrme izay misy ny FJKM.

Manao ahoana ny trano Fiangonana Protestanta ?

Raha mampitaha ny Fiangonana Protestanta amin’ny Katolika isika, na ny Katolika Romana, na Ortodoksa, na ny Anglikana, dia hahamarika fa tsotra dia tsotra ny Fiangonana Protestanta : tsy nmisy sary, tsy misy sary vongana, na haingo hafa. Ny anton’izany tany am-piandohana dia vokatry ny fandraisan’i Martin LOTERA, ara-bakiteny, ny didy faharoa manao hoe : « Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao » (Eks 20, 4). Narahin’i Jean CALVIN izany, ho an’ny Fiangonana Refôrme. Noheverina ho manan-jina sy manan-keryamam-pahefana ny sary tamin’ny fotoan’andron-dry zareo (tamin’ny taonjato faha-16). Nino ny olona tamin’izany fa fa ny vavaka sandratra sy ampandalovina amin’ny « sary » dia ahazoam-baliny sy tena ahazoam-pahasoavana be.

Nesorina avokoa ny sary sy ny aongitra tao am-piangonana. Tsotra ny firindran’atitrano fiangonana Protestanta. Hazo fijaliana tsoatra, tsy misy sary ; latabatra iray anaovana Fansan’ny Tompo, ary misongadina ny Baiboly mivelatra sy ny Polipitra sasany : fanaovam-batisa sy ny famantarana ny Fanasan’ny Tompo. Ireo dia ampy ho an’ny trano Fiangonana Protestanta ! Rendrarendra naiditra taty aoriana avokoa ny sisa.

Moa misy sokajiny ve ny Protestanta ?

Misandrahaka sy misy sampan amaro ny Protestanta : Loterana, Refôrme (Calvin/FJKM), Anglikana ; Batista, Metodista ary ireo fihetsiketsehana Pentekotisma,… amin’ny ankapobeny dia mizara roa lehibe izany :

Ny Fiangonana ara-tantara : Ny Loterana ny Refôrme ary ny Anglikana. Ny Anglikana izay manana foto-kevitra Protestanta ara-teolojia, fa eo amin’ny fifampifehezana sy ny fifampitondrana no manakaiky ny Katolika.
Ny Fiangonana Evanjelika: Niainga avy mamin’ny Protestanta Refôrme ihany izy ity, saingy ny mampiavaka azy dia ny tsy fanekeny ny olona ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana, afa tsy ny olon-dehibe tena mahay mino sy miaiky ary manaiky ny finoany an’i Jesoa Kristy. Ireny olon-dehibe ireny ihany no natao Batisa, fa tsy ekena ny nanaovana Batisa ny zaza. Izany no niteraka ny « Batisma ». tany Angletera no niandohan’ny Batista sy ny Metodista, izay samy protestanta, fa rehefa tonga tany Etazonia izy ireny, dia niroborobo fatratra tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Mpitandrina Metodista sy Batista no niaingan’ny hetsika nifototra tamin’ny batisan’ny Fanahy Masina. Tsy mahasolo ny batisa amin’ny rano ny batisan’ny Fanahy Masina fa mifameno aminy, ary izay mandray izany ihany no afaka miteny amin’ny fiteny tsy fantatra sy manao fahagagana ary manasitrana. Nihevitra ireo sokajin’olona ireo fa izy no tena niverina tamin’ny loharano, araka ny voalazan’ny Asa 2, izay mitantara ny zava-nitranga tamin’ny Pentekosta tao Jerosalema. Teo no teraka ny « fihetsiketsehana ara-pinoana Pentekotisma », izay sampana Protstanta ihany. Marihina fa ny Pentekotista dia mpikambana ao amin’ny COE, na Conseil Œcuménique de l’Eglise, na Fiombonan’ny Fiangonana Eran-tany (FFE). Mampieritreritra fa isika FJKM sy ny Pentekotista, dia samy miombona sy miray ao amin’io COE io, saingy eto isika no tsy mifandray. Raha ny marina dia miavaka kokoa amin’ny Fiangonana zandriny rehetra ny Pentekotista raha ampitahaina amintsika.

Moa mitovy avokoa ve ny fomba amam-panao sy ny fiatrehana fanompoam-pivavahana amin’ny Protestanta rehetra ?

Tsia, na dia samy Protestanta aza, ny fanompoam-pivavahana Loterana any Soeda, dia tsy azo ampitoviana amin’ny Pentekotista any Etazonia ; ny Refôrme any Frantsa dia misy fahsamihafany amin’ny ampiasain’ny FJKM. Izany no endriky ny Protestantismaa. Misy loko samihafa, kanefa manana fototra tokana . Izany no mahatonga ny Protestanta hanana hiaka hoe « Fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana » (Unit é dans la diversité). Na dia manana fototra iray ihany aza ny Protestanta dia samy manana ny mampiavaka azy amin’ny fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana. Tsy fanao na oviana na oviana ao amin’ny Fiangonanan ara-tantara toa antsika , ny manao antso fibebahana am-pahibemaso. Mametra-tanana amin’ny marary, saingy tsy terena ho amin’izany, tahaka ny fanaoisak’Alahady any amin’ny Pentekotista ny marary vao ho sitrana. An-kavitsiana no andrenesana vavaka tsianjery, na am-paham-bavaka iombonana, na dia ny Rainay izay anay an-danitra aza, ho an’ny Fiangonana Protestanta Evanjelika sasany.

Nahoana isika Protestanta Refôrme no tsy mitsangana rehefa mamaky ny Filazantsara ?

Mino isika fa voasoratra teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina ny Soratra Masina rehetra. Noho izany dia mitovy avokoa ny fahamasinany fa tsy misy manantombo kokoa. Noho izany dia « mipetraka hihaino » ny Protestanta rehefa miteny ny Tompo (jereo Lio 11, 39). Tsy fitenintsika Refôrme loatra ny hoe Filazantsaran’i Jesoa Kristy, rehefa miteny manokana ny Filazantsara. Raha manao izany isika dia toy ny tsy Azy ny Testamenta taloha sy ny Epistily, satria misy diqsohevitra milaza fa an’Andriamanitra Ray ny Testamenta Taloha, an’i Jesoa Kristy ny Filazantsara ary an’ny Fanahy Masina ny Epistilysy ny tantaran’ny Fiangonana. Tsy manaraka izany ny Protestanta !

Moa misy famantarana manokana maha Protestanta Refôrme ve ?

Misy hatrany ny famantarana maneho hevitra, na symbolisme eo amin’ny fivavahana. Na ny Protestanata aza dia manaiky fa manampy betsaka ny mpino amin’ny finoana avy amin’ny « fihainoana ny Teny » ny fahitany/ fijereny zavatra iray. Efa famantarana maneho hevitra ny fisian’ny polipitra fitorian-teny, avo kokoa ho an’ny Protestanta : Fahambonian’ny tenin’Andriamanitra no ambara ! Hanao fandaminana eo anivon’ny Diakona isika manomboka izao mba hiova, ka ny polipitra ho an’ny tenin’ANdriamanitra no amakiana teny sy itoriana Teny, fa etsy amin’ny polipitra an-kilany no atao ny vavaka sy ny fandraisam-pitenenanahafa. Famantarana maneho hevitra ny fisian’ny Baiboly mivelatra sy fametrahana ny famantarana ny Sakramenta eto amin’ny latabatra masina ! Ny Croix huguenote sy ny sary trondro dia noraisin’ny Protestanta ho famantarana koa. Taty aoriana ny sary trondro vao noraisin’ny Katolika. Ny teny grika ilazana ny trondro (ICHTUS) mantsy dia zary fanafohezana ny hoe : « Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra Mpamonjy » [ICHTUS = Iesus (Jesoa) Christos (Kristy) Theou Uios (Zanak’Andriamanaitra) Soter (Mpamonjy)].

Inona ny foto-kevitra lehibe ifotoran’ny finonana Protestanta ?


1-« Sola gratia » na « ny fahasoavana irery ihany ! »

Ny olombelona rehetra dia tsy misy endrika hovonjena noho ny toetrany sy ny fahotany, saingy omen’Andriamanitra maimaim-poana ho azy izany, amin’ny alalan’ny fahasoavana . ny famonjena ny olona dai tsy vokatry ny asa naaony, na ny toetrany, na noho ny fahamendrhany fa vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany (Efe 2, 5.8). Io fahasoavana io, izay fitiavana atolotra ho an’ny olona tsy mendrika dia aseho ho hita maso sy azo tsapain-tanana amin’ny Fanasan’ny Tompo.

2 – « Sola fide » na « ny finoana irery ihany ! »

Rehefa mihaona amin’ny Tompo ao amin’i Kristy isika amin’ny fihainoana ny Teniny, ka tonga matoky Azy dia izay no atao hoe finoana. Miankina amin’ny tsirairay ny fomba ahatongavan’ny finoana ao aminy : mety ho tampka sy tsy ampoizina ho an’ny sasany ; nefa mety ho fotoana ilana faharetana ho an’ny hafa. Tena asan’Andriamanitra ny finoana fa tsy asan’olombelona.

4 – « Solus Christus » na « Jesoa irery ihany ! » 

Noho ny finoany sy fahasoavana ao amin’i Kristy dia nohamarinina maimaim-poana ny mpino, nefa eo amin’ny ataony izy dia mbola mpanota ihany. Ny Tenin’ANdriamanitra sy ny Soratra Masina no manefy sy manamboatra azy miandalana eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Ny fanekenay ny fahefan’ny Soratra Masina sy ny asan’ny Fanahy Masina io no manova azy hihatsara toe-piainana isan’andro.

3 – « Sola scriptura » na » ny Soratra Masina irery ihany ! »

Mampiray ny Protestanta rehetra ity fahefan’ny Fanahy Masina ity, na inona na inona endriny. Io no iombonany : « Ny Soratra Masina irery ihany ». Rehefa tsy voalazan’ny Soratra Masina, na tsy manana fototra ara-tSoratra Masina dia tsy ekena ! io Soratra Masina io, ary ao ihany no anovozana ny Toriteny sy fampianarana kristiana izay mitondra fionana. Ny Soratra Masina irery ihany no hany manapaka ny fiainan’ny mpino, ary ny Soratra Masina irery ihany no ahazoana mandà ny fahefana hafa mifanohitra amin’izay inoana, eo amin’ny fiainan’ny Protestanta.

5 – « Soli Deo Gloria » na « Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra ! »

Andriamanitra irery ihany no masina sady mendrika ny homenm-boninahitra. Tsy misy olombelona afaka hihambo hahavita zavatra tsara sy mendrika tahaka an’Andriamanitra. Ny olona mahavita zavatra tsara dia noho ny asan’Andrimaanitra ao aminy, ka tsy tokony hodongiana na hotazonin’ilay « olona mpanompo » ny voninahitra, fa atolotra ho Azy. Ny fitadiavan’ny olona voninahitra dia manakona an’Andriamanitra ka tsy eken’ny Protestanta.

6 – « Ecclesia semper reformanda » na « Mihavao hatrany ny Fiangonana »

Ny Fiangonana dia mbola ety an-tany, mety ho diso lalana, mety ho diso fanapahan-kevitra. Noho izany ny Fiangonana Protestanta dia tsy tokony hiahotra na menatra hanao jeritodika, na jerikiana ny nataony natao ; nefa hitondra fanaovaozana sy hanova ny famindrany. Izany fiovana izany dia tsy maintsy miainga amin’ny Soratra Masina ao amin’ny Baiboly ary atao sy tanterahina amin’ny finoana.

7 – « Sacerdoce universalis » na « Fanjakam-pisorona »

Tamin’ny andron’ny Jiosy tao amin’ny Testamenta Taloha, dia ny mpisorona be sy ny mpisorona no mifona ho an’ny olona ary manao fanadiovana (purification) mba handraisan’ny olona famelan-keloka. Fa amin’ny protestanta , ny kristianina tsirairay ao amin’ny Fiangonana dia « mpisorona » avokoa fa tsy ny mpitondra fivavahana ihany (pasitera, môpera….)…tsy manao confession. Ny kristianina tsirairay izany dia afaka mifona ho an’ny tenany mivantana eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, nefa koa mivavaka ho amin’ny hafa mba handraisany ny famelan-keloka noho ny famindram-pon’Andriamanitra.mifona ho an’ny olona ary manao fanadiovana (purification) mba handraisan’ny olona famelan-keloka.

Ho an’Andrimanaitra irery ihany ny voninahitra !