Hotanterahina ny fankalazana an’Andriamanitra, noho ny tsingerintaonam-panompoana, nataon’ny Mpitandrina ANDRIAMASINORO Fidimalala mivady teo amin’ny sahan’ny FJKM.

Toy izao avy izany :

  • Faha-30 taona maha Mpitandrina ;
  • Faha-25 taona nisahanana fampianarana Teolojia teo anivon’nyTPM FJKM ;
  • Faha-24 taona naha Birao Foibe Sekoly Alahady ;
  • Faha 16 taona niara-niasa teto anivon’ny Fitandremana Avaratr’Andohalo.

Koa fifaliana ho an’ny Biraon’ny Fiangonana, ny Komity mpikarakara ary ny Fitandremana manontolo ny manasa antsika hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana hiderana an’Andriamanitra sy hanamarihana ireo tsingerintaona efatra sosona ireo izay hotanterahina ao amin’ny FJKM Avaratr’Andohalo ny Alahady 05 desambra 2021 manomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.