Ny Vaomiera Maharitra no miara-tomponandraikitra amin’ny Biraon’ny Fiangonana amin’ny fanatanterahana ireo sokajinasa sy asa voarakitra ao amin’ny TANJONA sy TETIKASA.

Ny kristiana rehetra vita batisa sy ny Katekomena no taomina sy ampirisihina hirotsaka ao amin’ny Vaomiera Maharitra, satria ao no sehatra handraisan’ny rehetra anjara amin’ny asa fanompoana eto amin’ny Fiangonana, araka ny fanomezam-pahasoavana ananany. Misy fito ny Vaomiera Maharitra.

IREO VAOMIERA MAHARITRA

Vaomieran’ny AIM-PANAHY (V.A.P)
Vaomiera mikolo ny fiainam-pinoana ny Litorjia, ny fampianarana Soratra Marina, ny fampandrosoana ny faritra, sy ny maro hafa koa. Miara-miasa amin’ny Mpitandrina izy amin’izany.

♦ Filoha : RAJAOSAFARA Harifidy
♦ Filoha mpanampy : RAKOTONDRAMASY Paquerette
♦ Mpitantsoratra : RAHELIARISOA Lydia
♦ Mptantsoratry ny vola : ANDRIAMAMONJIARIVO Maharison
♦ Mpitambola : RAJEMISA Florence Alice
♦ Mpanolotsaina : RATSIMANOHATRA Viviane Nicole Rajaona
RASOAHANITRINIALA Voninavoko