FAMINTINANA NY TANTARA

Ny volana Oktobra 1864 no niorenan’ny Fiangonana Avaratr’Andohalo. Kristiana 40 mianadahy tao amin’ny Fiangonana Analakely notarihin’andriamatoa ingahy RAINITRIMO sy RAMAKA . Mponina tety amin’ny faritra ambony ry zareo ary nanam-paniriana hanorina fiangonana manakaiky ny Kianjan’Andohalo , toerana izay nanamelohana ireo Martiora Kristiana mba hijoroana ho vavolombelona.

IREO DATY TSARA  HOFITADIDY

1864 : Fananganana ny trano zozoro izay notokanana tamin’ny fomba manetriketrika ny faha 22 Oktobra 1864. Nandray anjara tamin’ny famatsiana ara-bola ny Praiministra RAINIVONINAHITRINIONY. R.G HARTLEY no Mpitandrina nofidian’ny fiangonana.

 

 

1867: Fanirahana an’andriamatoa RABETRENA, (niova ho RABESIHANAKA taty aoriana), ho Evanjelistra tany Antsihanaka

1868 : Fananganana tranohazo nasolo ilay tranozozoro efa nihasimba. Notokana tamin’ny Alahady faha 24 mey 1868 ilay trano izay nanana endrika hazofijaliana.

 

 

1870 : Fifidianana an-andriamatoa RAMAKA ho Mpitandrina nisolo ny REV HARTLEY mivady

1871: Fananganana ny atao hoe Mpandinika ny Sekoly .Fampirisihana ny Fiangonana rehetra hanangana Sekoly.

1886: Voafidy ho Mpitandrina Ingahy RAINITRIMO nasolo an’Andriamatoa RAMAKA voatendry ho Governora tany Antomboka

1891: Nanapa-kevitra ny fiangonana fa hanangana trano biriky tanimanga. Natomboka tamin’ny oktobra 1891 ny asa.

1892: Fitokanana ny trano biriky tsara tarehy

 

 

1897: Nalain’ny Fanjakana Frantsay nataony Paositra Telegrafy ilay trano fiangonana . Andriamatoa RATSIAROVANA no Mpitandrina tamin’izany. Io taona io ihany anefa dia nahatsangana trano fiangonana vaovao tsoa-tokana eto amin’ity toerana misy azy ity .Tsihy no fipetrahan’ny olona tamin’izany . Tsy mbola nisy gorodona fa tany.

1899: Voafidy ho Mpitandrina Andriamatoa RABARY noho ny fialan’ Andriamatoa RATSIAROVANA

1914: Jobily faha 50 taonan’ny Fiangonana nitokanana ny gorodona sy fanadiovana ny atitranon’ilay trano vaovao. 493 ny isan’ny mpiangona misoratra anarana

1916-1918: Natao sesitany ny Mpitandrina RABARY noho ny raharahan’ny VVS

1920: Jobily faha 100 taonan’ny nahatogavan’ny Misionera Protestanta voalohany. Maintimolaly Avaratr’Andohalo.

1924 : Jobily faha 60 taonan’ny Fiangonana . Nitokanana ny takelabato fahatsiarovana ny Mpitandrina RAMAKA sy RAINITRIMO sy nanavaozana ho tsara tarehy ny dabilio ka naharitra mandrak’androany.

 

 

1930: Fahatsiarovana ny faha 30 taona naha Mptandrina an’Andriamatoa RABARY. Namboarina ho toy ny endriny amin’izao fotoana izao ny trano Fiangonana

1934: Faha 70 taonan’ny Fiangonana; Ny vato fasiana rano fanaovana Batisa sy ny Latabatry ny Tompo ary ny fampidirana Jiro mandeha amin’ny herinaratra no Tsangam-bato; nitombo ho 736 ny isan’ny mpiangona nisoratra anarana.

1944: Faha 80 taonan’ny Fiangonana. Nifanindry koa tamin’ny faha 80 taonan’ Andriamatoa RABARY Mpitandrina izany.

1947: 20 febroary nodimandry Andriamatoa RABARY Mpitandrina rehefa nitondra ny Fiangonana Avaratr’Andohalo nandritry ny 47 taona.
29 martsa: nipoaka ny fikomiana teto Madagasikara. Maro no voatana teny Antanimora ny mpiangona teto Avaratr’Andohalo. Nisy anankiroa no voaheloka hofaty ka notifirina.
04 mey : Voafidy ho mpitandrina Andriamatoa RAJAONARIVONY Joseph

1950: Nianatra nandalina Teolojia tany Frantsa ny Mpitandrina RAJAONARIVONY
Nisolo toerana azy ny Mpitandrina RAFRANSOA

1952: Tafaverina teto an-Tanindrazana ny mpitandrina RAJAONARIVONY Joseph

1954: Faha 90 taonan’ny Fiangonana. Notokanana ny takelam-pahatsiarovana misy ny anaran’izy 40 mianadahy;
Nohatsaraina ny Alitara tamin’ny fanoloana ny Latabatra Masina ho amin’ny endriny amin’izao fotoana izao sy ny fananganana io endrika Hazofijaliana lehibe io;

1959: Nolavin’ny MDR Avaratr’Andohalo ny fikasan’ny Fanjakana hanao fanompoam-pivavahana iray mahakasika ny fijoroan’ny Repoblika Voalohany satria tsy maintsy asiana sainam-pirenena ao am-piangonana

1964: Jobily faha 100 taona : Orga no Tsangam-bato ho fanamarihana izany. Naharitra herinandro ny fankalazana ka nandray anjara avokoa ny Sampana velona rehetra

1968: Tafatsangana ny FJKM .Tafiditra ho isan’ io Fiangonana io Avaratr’Andohalo. FPM isika teo aloha

1979: Faha 115 taonan’ny Fiangonana nanoratana voalohany ny Tantaran’ny Fiangonana Avaratr’Andohalo

1980 : Fanapahan’ny Synoda Lehibe fa averina amin’Avaratr’Andohalo ny trano fiangonana eo Andohalo

1981 : Lasa nisotro ronono ny Mpitandrina RAJAONARIVONY Joseph
Voafidy ho Mpitandrina Andriamatoa RAKOTONIRAINY Josoa mivady.

1984 : Faha 120 taonan’ny Fiangonana

1987 : Fananganana ireo Vaomiera samihafa FITAFA,FIFANE,. Anisan’izany ny AMAVA misahana ny asa fijoroana ho vavolombelona izay niforona mba hikarakarana indrindra ireo mpangataka eo am-bavahadin’ny Fiangonana

1989 : Jobily faha 125 taonan’ny Fiangonana

1993 : Nodimandry ny Mpitandrina RAJAONARIVONY Joseph
Voafidy ho tonian’ny FFKM ny Mpitandrina RAKOTONIRAINY Josoa ka nametra-pialana
Voatendry ho Mpitandrina Delege Andriamatoa RANDRIAMANANTENA Theodore

1994 : Voafidy ho Mpitandrina Andriamatoa RANDRIAMANANTENA Theodore

1996 : Nanomboka ny fotoam-pivavahana amin’ny Faritra. 25 ny isany tamin’izany.

1998 : Tafika Masina voalohany natao tany amin’ny FJKM ANTSAHAMBAVY

2000 : Jobily Volafotsy (25è) Mpitandrina RANDRIAMANANTENA Theodore

2002 : Voatendry hiasa any GUADELOUPE ny Mpitandrina RANDRIAMANANTENA Theodore
Voatendry ho Mpitandrina Delege Andriamatoa RALAMBOMAHAY Hendrininosy
Mpitandrina Delege Mpanampy RAJOELISOLO Raymond

2003 : Voatendry ho :Mpitandrina Andriamatoa ANDRIAMASINORO Fidimalala

2004 :Tafika Masina savaranonando tany RANOMAFANA nataon’ny SAFIF niaraka atamin’ny Mpitandrina ANDRIAMASINORO Fidimalala

2005 : Tafika Masina voalohany nataon’ny AFF tany RANOMAFANA

2007 :Fitokanana ny Trano fiangonana FJKM vaovao tao RANOMAFANA tsy mbola nisy tilikambo

2012 : Fitokanana ny Tilikambo sy ny trano fisainana vaovao tao RANOMAFANA

2013 : Feno 10 taona ny nitandreman’ny Mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala an’Avaratr’Andohalo.
Tanterahina ny tetikasa MItady ny RAhalahiko (MIRA) hanangonana ireo Mpandray rehetra tsy hita niangona intsony. Manomboka amin’ireo voahosotra tao anatin’ny 10 taona (2003-2013) ka mihitatra hatramin’ireo Mpandray hatramin’ny 25 taona no miakatra.

2014 : Jobily roa sosona : faha 150 taonan’ny Fiangonana sy faha 25 taona naha Mpitandrina an’Andriamatoa ANDRIAMASINORO Fidimalala

INDRAY MITOPY MASO :

Azo tarafina amin’ny voasoratra ao amin’ny Salamo 66,8-12 ny maha izy azy ny fiangonana Avaratr’Andohalo:

  • Misaotra an’Andriamanitra noho ny fitahiany mahagaga nampijoro ny Fiangonany
  • Niharitra fizahan-toetra mahamay (voahitsaka ny loha) sy maharitra (tahaka ny fanadio volafotsy amin’ny memy)
  • Manome fanantenana Andriamanitra fa hitondra azy (ny Fiangonana) hivoaka amin’ny fitahiana mahatretrika amin’izao taon-Jobily roa sosona izao.

FJKM Avaratr’Andohalo

MISAOTRA AN’ANDRIAMANITRA SY MIDERA AZY :

Tanteraka tamin’ny taona 1864 ny fanorenana voalohany ny Trano Fiangonana teo ambany fitarihan’ Igahy RAINITRIMO sy RAMAKA izay nahazo fanampiana avy tamin’ny Praiministra RAINIVONINAHITRINIONY. Nanetriketrika ny fitokanana na dia trano zozoro aza izany.

Asa lehibe vokatry ny finoana miredareda tao anatin’ny olona izany . Koa tsy nahagaga raha nitodika avy hatrany tamin’ny fireneny ry zareo ka nanapa-kevitra haniraka Evanjelistra tany ambanivohitra dia Andriamatoa RABETRENA , izay niova anarana ho RABESIHANAKA taty aoriana noho ny fankasitrahan’ny olona tany Antsihanaka azy.

Tsy fiangonana ihany no nokarakarainy fa niditra an-tsehatra teo amin’ny fampianarana koa izy. Niantoka ny fiveloman’ny mpampianatra tamin’iny faritr’ Isoavina sy ny manodidina azy iny sady nandefa mpanolo-tsainan’ny fampianarana hanara-maso ny asa.

Herim-pon’ny Fiangonana samy irery teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina Mpampahery no nahavitana Tranohazo iray ho solon’ilay trano zozoro tamin’ny taona 1868.
Ny taona 1892 dia nahatsangana ilay Trano Fiangonana tsara tarehy vita amin’ny biriky tanimanga eo avaratr’Andohalo io ny Fiangonana.

Ankoatr’izany, raha vaky ny ady teo amin’ny firenena Malagasy sy ny firenena Frantsay, dia nandray anjara mavitrika tamin’ny fotoam-pivavahana hoan’ny firenena sy ny fitaizana ara-panahy ny miaramila Malagasy teo ambany fitarihan’Andriamatoa RABARY ny fiangonana Avaratr’Andohalo.

Raha fintinina izany, dia SIVY AMBY ROAPOLO TAONA (29) monja taty aoriana dia efa nahatanteraka dingana lehibe amin’ity Teny Fanevan’ny faha 150 taona manao hoe:” Fahamasinana no miendrika ny Tranonao andro maro,Jehovah ô”(Salamo 93,5b), ireo ray aman-drenintsika nanorina an’AVARATRANDOHALO. Samy nataon-dry zareo ho vaindohan-daharaha ny fanatsarana ny Tranon’Andriamanitra sy ny fitoriana ny Filazantsara.

“ Misaora an’Andriamanitra, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,Izay nampitoetra ny fanahintsika amin’ny fiainana ka tsy namela ny tongotsika hangozohozo”

 

FJKM Avaratr’Andohalo

NIHARITRA FIZAHAN-TOETRA

  • Raha vao nandray fahefana ny frantsay, dia anisan’ny nataony voalohany ny naka an-keriny ny Trano Fiangonana Avaratr’Andohalo hatao Paositra sy Telegrafy ny taona 1897.
  • Tato aoriana dia navotan’ny Mission Protéstante Française (MPF) io trano fiangonana io hatao ho fivavahan’ny vazaha ary nomena anarana hoe :”Culte Français”. Tsy naverina tamin’ny Malagasy fa nomena vola izay noheverina fa tokony ho vidiny ry zareo .
  • Tsy navelan’ny Misionera Frantsay hitory eny Ambanivohitra ny Fiangonana Avaratr’Andohalo, Ambohitantely ary Ambavahadimitafo.
  • Noho izany dia tsy tafita tamin’ny taranaka taty aoriana intsony ilay toetra tsara sady mitory ny Fanjakan’ny Lanitra any ivelany no mikoja ny Trano fiangonana. Tsy fomba tarazo teo amintsika ny Tafika Masina. Nikatona tato anatiny isika. Tsy nanatanteraka Tafika Masina intsony.
  • Natao sesitany nandritra ny telo taona ny Mpitandrina RABARY noho ny raharaha VVS.
  • Maro ny mpiangona voasambotra tamin’ny rararaha 1947. Nisy aza anankiroa maty notifirina. Nifanontona indrindra tamin’ny fodiamandrin’ny Mpitandrina RABARY izany.
  • Taty aoriana ary dia nanjary voageja manodidin’ny trano be mijoalajoala ny trano fiangonana, tsy misy irika hanitarana kely intsony. Sempotra.
  • Tsy misy tanteraka fa nandamoka avokoa izay fikasana rehetra hanorina Akany mba hiainana kely sy hanamafisana ny fitaizana ny olona sy ny tanora.

“Fa efa nizaha toetra anay Ianao Andriamanitra ô;

Efa nanadio anay Ianao , tahaka ny fanadio volafotsy amin’ny memy,

Efa nampiditra anay tamin’ny fandrika Ianao;

Efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahinay Ianao;

Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Ianao;

Nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay;”

 

FJKM Avaratr’Andohalo

MIVELONA AMIN’NY FINOANA SY FANANTENANA

  • Tsy nety maty ilay “JIRO” fa nirehitra hatrany noho ny Herin’ny Fitiavan’Andriamanitra ny Fiangonany
  • Nitohy hatrany ny fanompoam-pivavahana
  • Nitohy hatrany ny fanatanterahana ny Sakramentan’ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo
  • Notanterahina hatrany ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny vanim-potoana malaza toy ny faha 90 taona, faha 100 taona, faha 115 taona, faha 120 taona , faha 125 taona , faha 130 taona ary faha 140 taona
  • Nanana olona ary mbola manana any amin’ny Rafitra maro eo anivon’ny FJKM isika

“Fa nitondra anay nivoaka tamin’ny fitahiana mahatretrika Ianao”

 

 

FJKM Avaratr’Andohalo sy…

ILAY FAMANGIANA MAHAGAGA

  • Ankehitriny izao dia hiatrika Jobily roa sosona isika. Mamangy antsika amin’ny fomba mahagaga ny Tompo. Fitahiana lehibe tsy takatry ny saina izany. Enga anie ka tsy handalo fotsiny amintsika fa handraisantsika fiovam-po sy fahamasinana mendrika ny maha Tempolin’Andriamanitra antsika satria.

“Fahamasinana no miendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô!” (Sal.93,6b)

An’Andriamanitra irery ny Voninahitra