Fanokafana Fiangonana anaty Fahamehana …
Ry havana,
Ny Biraon’ny Fiangonana no mamangy antsika rehetra. Ho aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanan’ny Tompo
Niarahantsika nandre ny fanambarana sy fandaminana nataon’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, tamin’ny alalan’ny Filoha, IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, izay manome alalana ny Mpitandrina hamoha ny trano Fiangonana isanandro sy ny Alahady.
Rentsika koa ny hafatrafatra nataony momba ny tsy maintsy anarahana ny fepetra …
Ny tantaran’ny fiangonana
FENO 150 TAONA AVARATRANDOHALO
“Fahamasinana no miendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô!” (Sal.93,6b)
Ny volana Oktobra 1864 no niorenan’ny Fiangonana Avaratr’Andohalo. Kristiana 40 mianadahy tao amin’ny Fiangonana Analakely notarihin’andriamatoa ingahy RAINITRIMO sy RAMAKA . Mponina tety amin’ny faritra ambony ry zareo ary nanam-paniriana hanorina fiangonana manakaiky ny Kianjan’Andohalo , toerana izay nanamelohana ireo Martiora Kristiana mba hijoroana ho vavolombelona.
Fanokafana Fiangonana anaty Fahamehana ara-pasalamana
Ho antsika Kristiana Eto amin’ny FJKM Avaratr’Andohalo Ry havana, Ny Biraon’ny Fiangonana no mamangy antsika rehetra. Ho aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanan’ny Tompo. Niarahantsika [...]
Ny rafitra
Ny Fitandremana no ambaratongan-drafitra fototra ato amin’ny FJKM. Ny Foto-dalana andininy faha-15 dia mamaritra ny Fitandremana ho toy izao: “Ny Fitandremana dia Fiangonana iray (1) na [...]
Foto-kevitra protestanta
Fotoana manan-tantara eo amin’ny Protestantisma ny 31 Okt 1517, ka araraotintsika izany ianarana mba hahafantarana bebe kokoa ny maha Protestanta sy ny foto-kevitra vitsivitsy [...]
Mofonaina isan’andro, mofonaina henoina
Manaraka ny fandaharana MOFONAINA Sampana Sekoly Alahady Foibe, hafatra avy amin’ny Raiamandreny Mpitandrina…
Fianarana soratra masina
« Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, (…) hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ny olona…
Hira sy tononkira
Hé ry avaratr’Andohalo
Fiangonana malala sarotra afoy,
Sarotra adinoina,
Fa iorenan’ny fo sy ny saina !…