He ry Avaratr’Andohalo

Hé ry avaratr’Andohalo
Fiangonana malala sarotra afoy,
Sarotra adinoina,
Fa iorenan’ny fo sy ny saina !

Fa iorenan’ny fo sy ny saina !

Eto ny Tompoko no toriana,
Teto ny foko no nihatsara;
Teto ny foko no nihatsara;

Foko nihatsara re!

Eto no misy Mpamonjy
Amin’ny gandran’ny ota
Eto no mahasoa, eto no mahasoa

Eto no misy Mpamonjy
Amin’ny gandran’ny ota
Tsy haiko hadinoina
Avaratr’Andohalo,
Latsaka am-po, latsaka am-po
Ity Fiangonana ity.
Latsaka am-po, am-poko!