Ny Sakramenta:


Ny Sakrameta dia maneho ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny famanatarana hita maso

Amintsika Protestanta dia roa ny Sakramenta dia ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo satria izay no nanafaran’ny Tompo ao amin’ny Soratra Masina (Mat.28,19 ; Lio.22,15‐20). Ny Sakramenta, «sacrementum » hoy ny teny latina, izay manambara ny fandraisana ny fahasoavan’Andriamanitra aseho amin’ny alalan’ny famantarana hita maso dia ny rano, ny mofo sy ny divay. Manana tandindo ao amin’ny Testameta taloha ny Sakramenta dia ny Safodrano, ny famorana ho an’ny Batisa ;ary ny Paska Jiosy kosa ny fanasan’ny Tompo.

Antsoina hoe : Tenin’Andriamanitra hita maso koa ny mofo sy ny divay amin’ny Fanasan’ny Tompo satria manambara ny tena sy ny ran’i Jesoa Kristy.

Ho an’ny Katolika Romana sy ny Ortodoksa dia fito ny sakramenta : Ny Batemy, ny Eokaristia, Ny Kofirmasiona na Krismasiona ny ho fanamafisana ny fanekena natao tamin’ny Batisa, ny sakrametan’ny fampihavanana (fampihavanana ny olona mpanota amin’Andriamanitra), ny fanosorana (sakrametan’ny marary, ny sakrameta farany ho an’ny maty ho fanamaivanana ny fahoriany ao amin’ny afo fandiovana, ny mariazy, ny fanokanana andraisana ny fahefana masina amin’ny fanompoana masina sy ny fanolorana sakrameta.

Dia toy izao ny hevitry ny mofo sy divay amin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo rehefa avy nohamasinina :

 

KATOLIKA / ORTODOKSALOTERIANA /ANGLIKANACALVINISTE na Réformée
TRANSSUBSTANTIATION:

Rehefa nohamasinina ny mofo sy divay dia lasa vatana sy ran’i Kristy tokoa

CONSUBSTANTIATION:

Tsy miova fa mijanona ho mofo ny mofo  ary divay ny divay mba ho famantarana fa misy kosa singan’ny tena sy ny ran’i Jeosa Kristy ao anatiny « coéxistence des substances du corps du Christ »

PRESENCE:

Ny mofo mijanona ho mofo ary toy izany koa ny divay ho famantarana ihany fa manatrika ny fiangonana kosa amin’ny alalan’ny Fanahiny ny Tompo