Isika Malagasy

Zava-dehibe amin’ny Malagasy ny fihavanana, hany ka fatra-pandala izany izy. Mafy izany atao hoe very amin-kavana izany, ary ny fihavanana no taloha fa tsy ny vola. Koa aleo very tsikalakalam-bola, toy izay very tsikalakalam-pihavanana. Tsimbalivaly anefa ny fiainan’olombelona  ka manaraka ny onjam-piainana eny ihany koa ny onjam-pihavanana : mbetika, milamina sy tony dia tony ny fifandraisana  ka misononoka; mbetika mitroatra sy misamboaravoara izany ka mila ho fefika na ho rendrika mihitsy aza, ka amoron-tevana ny fihavanana.

Mivelatra tsy voafefin’ny lafin-kavana ny fihavanana eo amin’ny Malagasy. Na izany aza dia tsy manao jiro lava tongotra ny Malagasy ka manazava ny lavitra fa manamaizina ny akaiky sy ny eo am-potony. Noho izany dia manao fihanaky ny menaka ny fihavanana amin’ny Malagasy. Tsy maintsy miainga  amin’ny eo akaiky.

Ny havana akaiky aloha, izay ny ankohonana sy ireo ray aman-dreny niteraka ary ny iray tam-po.

Izay vao ny lafy valo. Ny raibe sy ny renibe roa tonta (miisa efatra) ary ny zanany avy no antsoina amin’izany. Raha isaina, dia manana raibe roa sy renibe roa avy ny lehilahy sy ny vehivavy, vadiny. Raha atambatra ireo dia olona valo. Ireo valo ireo miampy ny zanany sy ny taranany avy no lafy valo. Efa fianakaviam-be.

Rehefa mitombo ny taranaka avy amin’ny lafy valo dia tonga mifanalavitra hatrany, indrindra raha efa tonga any amin’ny zanajafy sy ny zafiafy, ka nony farany aty aoriana, dia zary antsoina hoe « fofon-kavana». Fofon-kavana no ilazana ny olona fantatra fa lafim-pianakaviana ihany saingy tsy mafy fatorana akaiky intsony fa zara raha mifankahalala.

Tsy voafetran’ireo anefa ny fihavanana, fa mitatra sy mivelatra amin’ny mpiray tanàna sy ny mpiara-monina. Mifampitondra toy ny mpihavana ireo, ary trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana. Ny ilam-pitandremana dia ny olona tia kely, sady tia tena no mifidy tavan’olona, ka manao « Havako raha misy patsa».

ANDRIAMASINORO Fidimalala, Mpitandrina