Foto-kevitra protestanta
Fotoana manan-tantara eo amin’ny Protestantisma ny 31 Okt 1517, ka araraotintsika izany ianarana mba hahafantarana bebe kokoa ny maha Protestanta sy ny foto-kevitra vitsivitsy ijoroany sy iavahany, amin’ity Alahady 30 Oktobra ity. Ny alin’ny Zoma 31 Oktobra 1517 no namoahan’i Martin LOTERA ho peta-drindrina ny foto-kevitra miisa 95, izay nanova tanteraka ny fiainan’ny Fiangonana [...]


